Isany fototra hatongavana ho amin'ny fandrosoana ny safidy, izay fahafahana misy eo amin'ny tsirairay, indrindra ho an'ny olom-pirenena. Safidy ratsy ny fanapotehana ny ho avin'ny ankizy, indrindra izay mahakasika ny fanabeazana ; ny fanaovana tsinotsinona ny lafiny ara-panabeazana dia fanimbana ny fototry ny fampandrosoana. Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanomezan-danja ny soa iombonana ho an'ny vahoaka 30 tapitrisa eto amin'ny nosintsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny olom-banona dia olona tia filaminana, tia fihavanana, manana toetra tia fifanajàna. Na arahaba aza no atao amin'ireo olona heverina ho sahirana sy tsinotsinona ireny dia ampy hampiova ny sainy hivoatra. Ny safidy amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina dia fototry ny rafitra izay afahana mampandroso ny firenena miainga amin'ny kaominina. Ny olom-pirenena izay miisa 13 tapitrisa no antoky ny fampandrosoana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny olom-pirenena vanona dia manana hambom-po amin'ny fitiavana ny tanindrazana, ary mirehareha amin'ny maha malagasy. Manana adidy sy andraikitra amin'ny fanabeazana, ny olona misehatra amin'ny haino vaky jery satria izy ireo dia manana anjara amin'ny famolavolana ny toe-tsaina. Hery fahaefatra lehibe ho an'ny firenena iray ny fitaovana sy ny serasera. Adidin'ny haino vaky jery ny manentana ny olom-pirenena handeha hifidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manoloana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina dia tokony hamantatra tsara ny safidiny ny olom-pirenena rehetra, izay manan-jo hifidy. Ny fitiavan-tanindrazana dia safidy, porofon'izany ny safidin'ireo vahiny manana finiavana hampandroso ity firenena ity. Teny filamatra tsara tadidiana ny hoe : Fandrosoana - Filaminana - Fifanajàna. Tsy tokony hiandry fananan'andraikitra vao haneho fitiavan-tanindrazana, tsy tokony hifidianana sehatra ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fankahalana dia miteraka fahapotehana tanteraka. Ny olom-banona dia olona mitondra vokatra tsara ho an'ny ankohonany, fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Mila mandini-tena ny tsirairay : mitondra filamenana ve izy tenany? manao ahoana ny fomba amam-panaony? Ny tsy fanajana fitsipika manimba ezaka maro. Ny fandrosoana na fahantrana dia tsy anjara na vintana fa safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Misy adidy sy andraikira miandry antsika rehetra, indrindra ny fifanitsiana amin'izay mety ho tsy fetezan-javatra : ara-pitondran-tena, ara-pitantanana... Ny fitiavana dia tandindon'ny safidy, ary izy io dia avy amin'Andriamanitra. Ny fifanajana sy ny fampitovian-jo ny rehetra dia isan'ny singa fototra ahafahana mampandroso ; ilàna toe-tsaina mendrika sy mampisongadina ny maha-Malagasy anefa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny safidy atao manoloana tranga isan-karazany dia miteraka vokatra tsara na ratsy ; tsy misy olona hafa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny safidinao. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra, indrindra ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona roa. Raha tambazana vola na zavatra hafa ny safidy dia midika izany fa fanerena ankolaka, fikatsahana tombontsoa manokana fa tsy tombontsoa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manana ny lanjany ny safidy eo amin'ny fiainantsika manokana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny safidy dia fomba fifandraisan'olona roa, napetrak'Andriamanitra, na sehatra roa samihafa, ka hahitana vokatra tsara ho an'ny andaniny sy fahafahampo ho an'ny ankilany ; taratra ao anatin'izany ny fifanajana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco