Manoloana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina dia tokony hamantatra tsara ny safidiny ny olom-pirenena rehetra, izay manan-jo hifidy. Ny fitiavan-tanindrazana dia safidy, porofon'izany ny safidin'ireo vahiny manana finiavana hampandroso ity firenena ity. Teny filamatra tsara tadidiana ny hoe : Fandrosoana - Filaminana - Fifanajàna. Tsy tokony hiandry fananan'andraikitra vao haneho fitiavan-tanindrazana, tsy tokony hifidianana sehatra ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fankahalana dia miteraka fahapotehana tanteraka.  Ny olom-banona dia olona mitondra vokatra tsara ho an'ny ankohonany, fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Mila mandini-tena ny tsirairay : mitondra filamenana ve izy tenany? manao ahoana ny fomba amam-panaony? Ny tsy fanajana fitsipika manimba ezaka maro. Ny fandrosoana na fahantrana dia tsy anjara na vintana fa safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Misy adidy sy andraikira miandry antsika rehetra, indrindra ny fifanitsiana amin'izay mety ho tsy fetezan-javatra : ara-pitondran-tena, ara-pitantanana... Ny fitiavana dia tandindon'ny safidy, ary izy io dia avy amin'Andriamanitra. Ny fifanajana sy ny fampitovian-jo ny rehetra dia isan'ny singa fototra ahafahana mampandroso ; ilàna toe-tsaina mendrika sy mampisongadina ny maha-Malagasy anefa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra...  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy atao manoloana tranga isan-karazany dia miteraka vokatra tsara na ratsy ; tsy misy olona hafa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny safidinao. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra, indrindra ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona roa. Raha tambazana vola na zavatra hafa ny safidy dia midika izany fa fanerena ankolaka, fikatsahana tombontsoa manokana fa tsy tombontsoa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Manana ny lanjany ny safidy eo amin'ny fiainantsika manokana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny safidy dia fomba fifandraisan'olona roa, napetrak'Andriamanitra, na sehatra roa samihafa, ka hahitana vokatra tsara ho an'ny andaniny sy fahafahampo ho an'ny ankilany ; taratra ao anatin'izany ny fifanajana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy dia isan'ny maha-olombelona ; ny anjely dia tsy manan-tsafidy fa manatanteraka hiraka fotsiny. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra ary nomena ny olona tsirairay. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny.  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...