Safidy inona no anananao eo anatrehan'ny tranga misy eto amin'ny firenena?. Safidy hampandroso an'i Madagasikara ve sa safidy vao mainka hampilentika noho ny fitiavantena. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tsy ny vehivavy ihany no mety ho tratra ny "homamiadan'ny nono" fa misy ihany koa ny lehilahy saingy vitsy anisa. Ny fitsirihana sy ny fitilina no tena afahana mamaritra ny fahazoana io aretina io. Ny homamiadana dia fitomboan'ny isa sy habe tsy araka ny tokony ho izy ny sela ao anatin'ny vatan'ny olona iray. Famantarana fa mety ho voan'ny kanseran'ny nono: fiovana eo amin`ny haben`ny na ny endriky ny nono; ny fisehon'ny "dimples" na miforitra amin'ny hoditry ny nono; nitombo ny mena, ny fivontosana, na ny hafanana amin'ny nono iray; mangidihidy maharitra; nono mivadika, izany hoe mivadika ao anaty...

Ny aretina "drépanocytose" dia vokatry ny tsy fahatomombanan'ny sela mena ao anatin'ny vatan'ny olombelona iray. Ny olona mararin'ny "drépanocytose" no atao hoe "drépanocytaire". Ny manam-pahaizana manokana afaka mandray io aretina io dia ny sampandraharaha "hématologie". Ny endriky ny sela mena ho an'ny olona mararin'ny "drépanocytose" dia sahala amin'ny ila volana, fa tsy boribory ary mafy sy henjana ka misy fahasarotana ny hikorinan'ny ao anaty lalan-dra. Ny "drépanocytose" dia manaranaka ; 10% amin'ny malagasy no "drépanocytaire"...

Resy lahatra amin'ny maha zava-hehibe ny famokarana ara-biôlôjia, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny fikambanana Tsiky Tsika, ato amin'ny Faritra Analamanga. Isan'izany Rabadaoro Tsimatahomanana, monina ao amin'ny Fokontany Soanavela, Kaominina Fihaonana, Disitrikan'Ankazobe.

Ny faharanitan-tsaina dia fahaizana mandray sy mampihatra zavatra iray ary koa fahaizana mamaha olana sy miatrika sakana. Misy karazany maro izy io, ka ny enina amin'ireo no heverina afaka ampiasaina eo amin'ny sehatry ny asa fandraharahana sy ny asa birao. Betsaka ny voka-tsoa azo avy amin'ny fampiasana azy ireo toy ny fahombiazana amin'ny maha-olona, fahombiazana arak'asa, ara-piaraha-monina, ara-toekarena, eo amin'ny tontolon'ny asa... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Raha tsara ny vokatry ny safidinao dia tombony ho anao izay, raha ratsy koa dia mbola mifototra aminao ihany koa ; noho izany dia ny safidinao no mamaritra ny ho avin'ny ferenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanajana ny tena sy ho fanomezana hasina ny hafa dia miezaka hatrany isika hanaja ny hafa, hamela ny hafa haneho, hanorina hanao ny fiainany. Soatoavina fototra roa azo asongadina izay manentana ny olona : hajao ny tenanao, hajao ny hafa ary hekeo amin'ny maha-izy azy ny hafa. Ny fanajana ny tena sy ny hafa ary ny fanomezana hasina ny mahaolona dia manatsara ny fifandraisana sy ny fiombonana. Fandaharana "ampela miary".

Ny torimaso dia filàna fototra ho an'ny olombelona rehetra indrindra raha te ho salama, ny torimaso no hanovozana hery. Rehefa matory ny olona iray dia mihavao ny sela rehetra amin'ny aty sy ny nofo , miakatra ny hery fiarovana, mihamafy sy mihatsara ny fitadidiana, milamina ny tsirimpanentana ho amin'ny fitomboana vatana. Ny faharetan'ny toromaso feno ho an'ny lehibe dia fito hatramin'ny valo ora. Tsy ny lehibe ihany no mijaly amin'ny tsy fahitana torimaso fa ny ankizy ihany koa. Ireto mety ho tranga : Sarotra na ela vao mahita torimaso, taitra matetika anatin'ny alina iray, ireo taitra maraina loatra.... Antony : mikorontana ny toerana hatoriana, hazavana be loatra, tabataba, sakafo sarotra levonina...

Ambohim-pihaonan'ny mpamokatra eny ambanivohitra sy ny mpitsidika, mpanjifa eto an-drenivohitra ny feny amin'ny MPE Nanisana amin'ity herinandro ity. Tanterahana eny an-toerana nanomboka ny alakamisy 28 septambra hatramin'ny alahady 01 ôktôbra 2023 ny Tsenaben'ny Fiompiana, ny Jono ary ny Fambolena andiany faha-15...

Maro ny tanora tsy mahafantatra ny ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo atao hoe : IST kanefa mitombo be ireo fahazoana ny otrik'aretina mahatonga azy ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo anefa satria maro be ny voka-dratsiny ara-pahasalamana sy ara-pitondrantena sy ara-panahy... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Ny safidy amin'ny maha kristiana antsika dia tokony hisafidy ny hisian'ny fahamarinana eo amin'ny sehatry ny fifandraisana rehetra. Ireo sehatry ny fifandraisana tokony hisian'ny fahamarinana dia : ny tokantrano, ny firaha-monina ary ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mihezaka hatrany isika hanana hazon-damosina hijoro sy haneho amim-pahatoniana. Mialohan'ny fampitàna ny hafatra sy ny lesona ho an'ireo Beazina dia tokony haneho amim-pitoniana izay tiana hampitaina ny mpanabe. Ny olona tsirairay avy dia samy manana ny mampiavaka azy ary arena ireny, ka isan'ny mandrisika ny olona ho sahy haneho ny maha izy azy amim-pitoniana ireny.  Fandaharana "ampela miary".

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...