Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fahaizana mihaino ny hafa dia isan'ireo fanalahidin'ny fahombiazan'ny fiainana ary mahatsara azy. Hampirindra ny fiainana dia mifampihainoa isika olona rehetra : ny mpivady, ny mpianaka ary ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fahefana anaty dia ahitana ireto : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Ny sakana anaty dia hatarafana ireto : ny fialonana, ny fanaratsiana ary ny fiandaniana. Ny safidy dia anao : na ny fahefana anaty no iainana na ny sakana anaty. Fandaharana "mba ho vanonoa" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.

Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.

Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.

Zava-dehibe no hahafantarantsika fa ao amintsika : Andriamanitra Ray, zanaka, ary Fanahy Masina. Andriamanitra Ray : amin'ny alalan'ny saina izay misy ny fahefana anaty. Ny zanaka ao amin'ny fo izay misy ny aina, izy mantsy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misaraka amin'izy ireo ny Fanahy Masina araka izay voalaza hoe "tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo". Fandaharana "mba ho vanona".

Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Raha iainana io fahefana anaty io dia hiova tanteraka ny fiainan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny fahefana anaty dia fahefana ara-baiboly : " Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo " hebrio 4, 12. Ny fahefana anaty dia azo hazavaina ara-tsiansa. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Isika olombelona dia Fanahy - Aina - Vatana. Ny fahafenoan'ireo singa ireo dia midika fa tsara ny olombelona. Ireo telo ireo no tomombana dia azo antoka ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...