Ny fahavanonana sy ny maha olom-pirenena no hitondra fampandrosoana sy fahatsaram-piainana. Ny fanajana ny maha-Malagasy ihany koa dia hamerina amin'ny laoniny ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Ireo olona tsy mandeha manaho ny safidiny amin'ny andron'ny fifidianana no tokony hahazo tsiny fa tsy ny fanjakàna sy ny mpikarakara, zo izany ary izay no maha olom-pirenena... ♦ Ara-tantara dia efa ela no nisy olona teto Madagasikara fa tantara iniana disoina ny hilazana fa mpiavy ny malagasy... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny faha 07 avrily isan-taona no daty fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny fahasalamana. Ny lohahevitra ho fanamarihana ity farany, tamin'ity taona 2022 ity dia : "antoky ny fahasalamantsika ny tany onenantsika". Ny tiana ho lazaina amin'ny hoe " tany onenantsika" dia ieo rehetra manodidina antsika izay mifototra amin'ny olombelona. Mandritry ny fanamarihana io andro io dia imasoana ny fanentanana ny olona rehetra mba tsy hanao dokotera-tena, fa hiezaka hatrany hizaha fahasalamana amin'ny mpitsabo matihanina ...
Ny firafitry ny taolana dia ahitana : ilay taolana mafy, misy taola-malemy, misy ozatra mampifandray ary misy tsiranoka mampalefaka ny fifampikasohana amin'ny tonon-taolana. Ny "arthrose" dia fahasimban'ilay taola-malemy "cartilage", vokatry ny asa mafy na noho ny fahanterana na ihany koa faharatrana matetika. Ny faritra andairany matetika : soroka, maoja, lohalika, hatoka, tanana ary ny ankihibe. Ny salan-taona maro voakasiky ny aretina "arthrose" dia eo anelanelan'ny 35 hatramin'ny 50 taona, ny taola-malemy simba vokatr'ity aretina ity dia tsy miverina amin'ny endriny teo aloha intsony.
Manomana an'ireo tanora ho lasa tompon'andraikitra any amin'ny fikambanan'ny tantsaha samihafa manerana ny nosy, misy azy mivondrona ao anatin'ny tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny tambazotra "SOA". Homanina ihany koa handimby an'ireo mpitantana zokiny amin'izao fotoana izao.
Maro ny fanamby atrehintsika amin'ny angovo sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Anisan'ny vahaolana voalohany, ny fahafantarana ny filàna sy ny tahan'ny angovo ampiasaina ao an-tokantrano mba ahafahana mitantana azy. Anisan'ny vahaolana naroso teto amin'ny fandaharana ihany koa ny fampiasana ny arina azo avy amin'ny volobe "bambou". Tombotsoa maro no azo avy aminy : kely ny "carbone" avoakany, vetivety dia mafana ka mitsitsy fotoana, tsy mandoto ary mora vidy.
Ny mandrafitra ny fianakaviana dia ny mpivady sy ny zanany, na vondron'olona nakamban'ny karazam-pamatorana misy, ao anatin'ny fiaraha-monina. Hatraiza anefa ny anjara toerana omentsika ny fianakaviana eo amin'ny fiainantsika tsirairay avy, ary inona no toe-tsaina hoentina rehefa miaina eo anivon'ny fianakaviana. Voajanahary ny fahaleovantena sy ny fivelarana ho an'ny olona tsirairay rehefa misaraka amin'ny ray aman-dreny. Ny anjara toeran'ny fianankaviana dia tokony hivoatra mifanaraka amin'ny zava-misy : mitaiza, manabe, ary rehefa lehibe maleho tena dia mifanoro lalana. Mila mizatra mitondra tena ny tsirairay mba hampivelatra ny tsirairay.
Ny "Branchiolite" dia aretina mpahazo ny avokavoka ary nirongatra be tao anatin'ny volana iray izay. Ny "branchiolite" dia aretin'ny taovam-pisefona mpahazo ny olona maro indrindra ny zaza latsaky ny telo taona. Ny fomba fiombony : fanafihan'ny tsimok'aretina ny fantsona na ny lalan-drivotra madinika hatao hoe " Branchiole", ka mivonto na tsentsina. Fomba fisehony : sahirana be rehefa miaina, tsentsina ny orina, mikohaka maina...
Ny tanjon'ny fanambadiana dia ny fiainan'ny mpivady ny fifankatiavana maharitra. Ao anatin'ny voadin'ny fanekena ny hoe "na inon-kidona na inon-kihatra, na an-kasoavana na an-karatsiana". Mamelona ny fifankatiavana ny fiainana izany miaraka : miara-dalana mba hamelo-maso ilay fifankatiavana hatramin'ny voalohany, ka hahatonga izany ho lavorary ho an'ny tanjona iombonana.
Nandrombaka ny medaly volamena ho an’ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin’ny fifaninanana eran-tany amin’ny famokarana cacao mifanaraka amin’ny kalitao takian’ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin’ny vondron’ny kaoperativa « Lazan’i Sambirano » any amin’iny Faritra Diana iny tamin’ny taon-dasa. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo.
Tamin'ny faha 21 marsa teo no fanamarihana ny andro maneran-tany ho fampahafantarana ny "trisomie-21" ka ny loha-hevitra tamin'izany dia ny hoe : Mahefa izahay. Ny hoe "izahay" eto dia : ny olona manana ny toe-batana "trisomie", ny fianankaviany ary ny fiaraha-monina. Ny "trisomie" dia tsy aretina, fa toe-batana, vokatry ny fitombon'ny isan'ny "chromosome n°21". Ny fambarana : malefaka ny hozatra, malemy ny tonon-taolana, misy fahatarana ny fiasan'ny saina...
Nahomby amin'ny ankapobeny ny tetik'asa niarahan'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO sy ny governemanta malagasy notanterahana tany amin'ny Faritra Sava. Tetik'asa nampihena ny fifindra-monin'ny mponina mankany ivelany indrindra fa ny vehivavy.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco