Mbola ao anatin'ny fanentanana ny olona hamboly hazo isika, isan'ireny ny hazo fihinam-boa, ny zava-maniry fanao fanafody. Fiarovana ny tontolo iainana tsara indrindra ny fambolena hazo ka noho izany dia tokony ho karakaraina izay hazo novolentsika. Ny hazo malagasy dia maintso sy mando mandavan-taona ny manodidina azy, ary mety ho an'ny fikolokoloina ny tontolo iainana. Ny fikarakarana ny hazo voavoly dia miainga amin'ny aro afo, avy eo ny fanomezana zezeika, ary tsy adinoina ny fanondrahana araka izay tratra, amin'ny alalan'ny fampiasana tavoahangy "plastique" milavaka, ka io no mitete manamando azy.

Ny fahavanonana no ahafahana mitrandraka ny talenta sy ny safidy nomen'Andriamanitra an'ny tsirairay, hatafita amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny faha 29 marsa isan-taona dia fanamarihana sy fahatsiarovana ireo maheri-fo nitolona ho antsika malagasy tamin'ny taona 1947. Ny renim-pianakaviana no tsara toerana kokoa amin'ny fampitana ny tantara sy ny fanabeazana ny zanaka. Ny renim-pianakaviana dia manana andraikitra ho fanabeazana ny zanany ho olom-pirenena vanona sy hanana fitiavan-tanindrazana ; ny ankohonana rahateo no sekoly voalohany ho fampanajana ny fitsipika sy ny fanabeazana fototra...

Ny raboka "tuberculose" dia aretina azo avy amin'ny otrik'aretina "bacile de Koch" na BK, izay haparitaky ny marary, tsy voatsabo, eny amin'ny rivotra iainana. Ny faritra mety hisehoany dia ny aretina amin'ny endrika maro: ny ao amin'ny tratra, ny anaty  avokaoka na ivelany, ny amin'ny hoditra, taolana, ny atodi-tarimo. Fambara : fisian'ny kohoka 2 herinandro, manavy, tsemboka amin'ny alina, malain-komana, mihamahia, rera-dava, marary ny tratra, misy rà ny rehoka. Enim-bola eo ho eo ny faharetan'ny fitsaboana izay maimaimpoana.

Mampitombo ny fahalalany sy ny traikefany hanatsaràna ny seha-pamokarana ilofosany, ao amin'ny Ivon-toeram-piofanana momba ny fampandrosoana sy ny fahavitan-tena eny amin'ny tontolo ambanivohitra na ny CEDAR Ezaka Maintso, ireo tantsaha ao amin'ny kaominina Ivato sy Kaominina Talatamaty ato amin'ny distrika Ambohidratrimo.

Ny tsirairay no tompon'andraikitra voalohany hiaro ny fahasalamany vao ny hafa. Ny fifampizarana androany dia natao ho fampahafantarana sy  fanampiana ny vehivavy hiaro ny tenany amin'ny aretina. Misy ny soatoavina kristiana tokony hiainana ka ny fivadihana amin'izany eo amin'ny lehilahy na vehivavy, na zatovo, na tanora, na lehibe dia miafara amin'ny tsy fahasalamana na ho ela na ho haingana ary mety miafara amin'ny fahafatesana ara-batana sy ara-tsaina na ara-panahy mihitsy...

Ny vehivavy dia mandalina ny "8 marsa" satria zony no takiany mandritra io fotoana io. Misy anjara andraikitry ny lehilahy amin'ny fanomezana ny zo ho an'ny vehivavy. Ara-tarehimarika dia 65% ny vehivavy no iharan'ny herisetra ara-tsaina ary 85% herisetra ara-toekarena. Zon'ny vehivavy ny hamantatra ny sandan'ny fidiram-bolan'ny lehilahy. Any amin'ny laharana fahavalo amin'ny laharan'ny mpandova no misy ny vehivavy "vady" amin'ny zo maha mpandova. Ireo rehetra ireo dia santionany ka mandrisika antsika handalina ny zon'ny vehivavy sy ny 8 marsa...

Hankalaza ny faha-30 taona nijoroana ny Foibe FAFIALA amin'ity taona ity. Hotanterahana any amin'ny volana jolay na volana aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana raha toa ka ny volana avrily izao no saika hanatanterahana azy.

Ny fampitana ny fanabeazana am-pitiavana no antoky ny fahombiazana. Eo anivon'ny fianakaviana no ianarana sy iainana voalohany ny fitiavana. Mitondra hafaliana sy zavatra miabo mandrakariva ny fitiavana.

Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Misy fizarana sivy ny faritry ny kibo, ka samy hafa, araka izay faritra ahatsapana fanaintainana ny aretina mety mahazo ny olona iray. Ny fizarana sivy : mizara telo amin'ny tsanganana, avy eo ambany nono hatreo amin'ny valahana, ary mizara telo ihany koa ny avy amin'ny lafiny avia miankavanana ; somary lehibe kokoa ny faritra afovoany rehetra manandrify ny foitra. Ny fanaintainana amin'ny faritry ny kibo dia tsy aretina fa soritr'aretina. Ny karazan'ny fanaintainana : manindrona, mavesatra, manotika, miolana...

Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...