♦ Niakatra ho 70 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitra omaly hariva... ♦ Nilaza ny Filoham-pirenena omaly hariva fa hahazo arovava na "cache-bouche" avokoa ny isan-tokantrano. 5 tapitrisa no kendrena hovokarina... ♦ Nanitsy ny nambaran'ny gazety an-tranokalam-pifandraisana iray omaly ny OMS...

♦ Nitombo enina indray ny tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus araka ny tarehimarika ofisialy... ♦ Nanitsy ny nambaran'ny gazety iray an-tranonkala na en ligne androany ny OMS... ♦ Natomboka androany ny fidinana ifotony nataon'ireo tompon'andraikitra, nanadihady ireo olona heverina fa nifanerasera tamin'ireo olona teny ISotry efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus...

♦ Hidina ifotony any amin'ireo fokontany nahitana ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus vokatry ny fifaneraserana tamin'ireo olona mitondra izany ny tompon'andraiki-panjakana. Hanao fanadiovana faobe. Isan'izany ny eny Isotry sy Ambondrona ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Miantso ny Malagasy tsy an-kanavaka haneho ny Fihavanana, isan'ny soatoavina nolovaina tamin'ireo ray aman-dreny tany aloha, ny mpampaka-teny ankapoben'ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny CFM...

♦ Niampy iray indray omaly ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. 59 izany izao no totalin'ireo voamarina ho mitondra ny tsimok'aretina eto amintsika... ♦ Hanao fanadiovana faobe eny amin'ny toerana nahitana ny olona mitondra ny tsimok'aretina noho ny fifaneraserana tamin'ireo olona nitondra izany ny tompon'andraikitra... ♦ Nandray fepetra momba ireo mpiasa voamarina fa mitonfra ny tsimok'aretina Coronavirus ny ao amin'ny orinasa Ambatovy...

Lany fanindroany tamin’ny fifidianana manaraka teo ho recteur majeur i mompera Angel Fernandez Artime dimbin’i Don Bosco. Niangavy ny fikambanana salezianina maneran-tany izy mba hanao vavaka hasivin’ny andro tammin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina mba hiarovana an’izao tontolo izao tsy ho tratry ny areti-mandringana COVID-19 ny olombelona rehetra.

♦ Olona iray indray androany no voaporofon'ny teo anivon'ny Institut Pasteur fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus. 59 izany izao ireo olona voamarina ireo eto Madagasikara... ♦ Tapaky ny Filoham-pirenena sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny CCO Covid-19 fa hanaovana fandiovana faobe eny amin'ireo toerana nahitana ireo "cas contacts" na olona mitondra ny tsimok'aretina noho ny fifampikasohana...

Alatsinainy 06 aprily 2020 — Alatsinainy masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11 — Arahaba, ry Mpanjakanay ! Ianao irery no niantra anay tamin'ny hadisoanay.

♦ Hovatsiana tampim-bava iray isan-trano ny fianakaviana hoy ny Filoham-pirenena hisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19 amin'ny alalan'ny fifaneraserana... ♦ Nihaino sy nanoro hevitra ireo tompon'andraikitra samihafa tany Mahajanga amin'ny ady atao amin'ny fihelezan'ny tsimok'aretina Coronavirsu ny Praiministra Ntsay Christian...

Alahady 05 aprily 2020 — Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 1-11 — Ho antsika, dia nanolo-tena i Kristy hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy : ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

♦ Mitombo isa ireo olona teto an-toerana nifanerasera tamin'ny olona mitondra ny Coronavirus no nifindran'ny tsimok'aretina ihany koa... ♦ Hisy fivoriana lehibe iarahan'ny Filoham-pirenena amin'ireo sehatra maro samihafa ny 04 aprily izao hanapahana ny mety ho tohin'ny fepetra ampiharina isakanana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina...

♦ Mbola nitombo efatra indray ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, raha ny valin'ny fitiliana avy eny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Nitohy androany ny Test Diagonostic Rapide (TDR) atrehin'ireo olona tonga avy any ivelany, ny 11 marsa hatramin'ny 19 marsa teo, atao eny amin'ny Jumbo Score Ankorondrano sy ety amin'ny CCI Ivato...

♦ Nahazo fampitandremana am-bava tamin'ny tompon'andraikitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katôlika Mazava Atsinana fa tsy mandefa ny fandaharana miara-manonja miainga etsy amin'ny CCO ety Ivato... ♦ Mikatona amin'ny 12 ora antoandro ny Tsenanasabotsy sy Antsenakely ao Antsirabe manomboka androany ho fampiharana ny fepetra tsy hiparitahan'ny Coronavirus any Vakinankaratra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...