Ny hoe "Rasavôlagna" dia misy heviny roa ka ny voalohany dia midika "veloma" ary ny faharoa kosa dia mifanandrify amin'ny lahabolana, azo takarina amin'ny hoe "lahateny". Ny lehilahy matetika no manao ny "Rasavôlagna" kanefa tsy voatery ho izay arakaraka ny zava-misy. Ny fitondrana teny ao anatin'ny Rasavôlagna dia tsy iadivana, ny fehezan-teny, nataon'ny mpandray fitenana averin'ny mpamaly isaky ny handray fitenana dia fanehoana fa mahay mifampihaino ny roa tonta ary mifanaja. Ny toaka ifampizarana amin'ny fotoana hisian'ny fomba sy ny Rasavôlana fanolorana dia toaka vokatry ny tany...
Ny Rasavôlagna dia lahabolana malagasy sy mbola misy mpanao tsara amin'ny fiainana andavanandro. Ny Rasavôlagna dia ny lehilahy amin'ny ankapobeny no tena mpanao azy, lahabolana any amin'ny Betsimisaraka sy ny Sihanaka. Ny Rasavôlagna dia misy karazany toy ny hoe: Rasavôlagna handeha, Rasavôlagna fanolorana, Rasavôlan-dratsy, Rasavôlagna antsabora, Rasavôlagna fisaorana... Ny Rasavôlagna dia toa maivana sy tsy zarizary raha toa ka tsy misy toaka; voninahitry ny toaka mantsy ny Rasavôlagna.
Ny Manisotra dia vondron'olona nosokajiana ho mpiantafika sy mpiady tamin'ny andro nanjakan'Andriamasinavalona. 30 lahy no niatombohan'ny Manisotra, izay voairaka haka ny tanànan'Ambohimasina, izay niova ho Ambohijoky rehefa azon'ireo iraka. Taranaka vazimba, taranaka Zanamahazomby izy ireo, olona matanjaka sy mahay miady ary lian-dra, lehilahy manidina sy mahery, maranin-tsaina ihany koa ireo Manisotra. Maro ny faritra sy ny tanàna no nanirahana ireto Manisotra ireto mba hakana fanjakana ka isan'izany ny tao Fenoairivo, Ambatodrazaka ary Tsienimparihy...
Ny Marofotsy dia anaran-toerana ary nonenan'ireo foko "Marofotsy". Foko iray ankoatra ireo foko maro efa hain'ny maro. Taloha dia Ambaniandrefana no anaran'ny toerana voalaza etsy aloha ; ireo olona na foko "Marofotsy" kosa dia "Maromainty" no niantsona aza fa rehefa nifanitsaka tamin'ny anaran'ireo omby maro tao Ambaniandrefana dia novàna ho "Marofotsy" mba hiavahan'ny olona sy ny biby. Olona avy amin'ny faritra samihafa nandositra fanandevozana sy famorentana ara-dalàna. I Marofotsy dia eo afovoan'ny Faritr'i Boina, Faritr'Imerina, Faritra Sihanaka ary Faritra Tsimihety...
Ny reniala na ny Baobab dia hazo manana ny lanjany ho an'ny Mikea satria manampy azy ireo amin'ny fitahirizana rano ho sotroina noho ny toe-tany main-dava any amin'ny faritra misy azy ireo. Ny mozika "BEKO" no isan'ny mampiavaka ihany koa ny Mikea izay mifamatotra amin'ny fiainany andavanandro toy ny fotoana famoran-jaza sy ny fanamadihana ary indrina amin'ny fotoana misy fahafatesana. Ny Mikea dia mandala ny lalam-pihavanana momba ray izany hoe ny raim-pianakaviana no masimandidy amin'ny fitarihana ny ankohonana. Fanamby lehibe no miandry ireo Mikea noho ny fandrosoana miitatra ka mandindona ny fonenan'izy ireo...
Ny volana "Jona" dia iray volan'ny Teny Malagasy ; ho an'ny taona 2026 dia nanomana fifaninanana ny Foibe momba ny Teny an'ny Akademia Malagasy miaraka amin'ny Akademia Malagasy, mikasika ny "fanabeazam-boho ny teny. Tsy vitsy ankehitriny ireo voambolana ampiasaintsika Malagasy andavanandro, na izy ireny voambolana amin'ny teny vahiny na teny ampiasaina saingy tsy mbola miaty ; tanjon'ity fifaninanana ity ny mba hanabeazam-boho ny Teny Malagasy...
Ny "Mikea" dia niantsoana ilay "ala voajanahary" mbola lavitry ny tavy sy ny fitrandrahana samihafa, fa taty aoriana noho ny tosika nahazo ireo foko (Masikoro, Mahafaly) nanodidina io ala io dia nitsofoka nitady fierena sy sakafo tao izy ireo, ireto farany no lasa nantsoina hoe "Mikea". Ny Mikea dia olona niaina tamin'ny fihazàna, fiotazana, tsy nampiasa vilany fa nahalala sy nampiasa afo. Ny toerana misy ny Mikea dia iny faritr'i Toliara II hatrany Morombe iny. Ireo Mikea dia efa mifandray amin'ny olona sy ny fandrosoana ary ankehitriny dia sady misy fampitana ny soatoavin-drazany no manovo ny fampianarana môderina izy ireo...
Ny Hainteny : Lahabolana mirindra, feno ohatrohatra enti-mampita hevitra amin'ny fomba miolaka, amin'ny ankapobeny dia ifamaliana ity karazana lahabolana ity, izany hoe misy miantso (antso) dia misy manoina (setriny). Misy ihany anefa ny hainteny tsoa-tokana, arakaraka ny votoatiny. Ny Merina no miangaly ny hainteny amin'ny maha hainteny azy, satria mety hisy karazan-dahabolana mitovitovy aminy fanaon'ny foko na faritra hafa. Amin'ny ankapobeny dia fifampiantsiana fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy ny hainteny...
Karazan'olona efa nisy fahagola teto Madagasikara ny Vazimba ary azo heverina fa razamben'ny Malagasy. Olombelona toy ny olona rehetra ny Vazimba, fa manana fomba sy fiaina miavaka sy manaja fady sy fomba ka manana fanomezam-pahasoavana mahavita miaina sy miresaka amin'ny tontolo ara-panahy sy Andriamanitra - Andriananahary. Mbola maro ny tarana-bazimba sy ny toerana misy azy ireny : Ambohimanarina, Andranoro, Ambohibao. Ny Kalanoro sy ny Vazimba dia misy ifandraisany ary tombanana ho taranaka iray ihany...
I Madagasikara dia efa an-tapitrisany taona no efa nisy, izay ampahantany nihataka tamin'i Afrika sy Azia. Efa nisy mponina ny nosy Madagasikara, izay feno ala, izay azo lazaina ho olon-dia, nivelona tamin'ny fihazana biby sy fihinanana voankazo sy zava-maniry samihafa. Ny vazimba dia ireo olona tompon-tany hatramin'ny nisian'i Madagasikara, olona nitafy hodi-kazo. Nanaja ny razana sy ny fasana ny vazimba hany ka nataony tsy hitan'ny maso ny fasany ary lasa hasinina. Noho ny afotro (Volcan) dia maro ny maty. Ny toerana misy ny tarana-bazimba : Ambohimanarina, Andranoro, Ambohibao...
Ny Spoken Word dia efa nisy taloha ela be tany amin'ny taon-jato faha-XIV, tany Italie, ary nivoatra sy niely eran-tany. Zava-kanto vita amin'ny teny, miainga amin'ny soratra anefa tsy natao hovakiana loatra fa natao holaizaina, tononina am-bava, laroina fihetsika sy mozika raha ilaina. Maro ny tera-tany Malagasy no miangaly azy ity. Tany ivelany dia nentina nanoherana ny tsy rariny mihatraika mivantana amin'ny maha-olona ity "spoken Word" ity. Ny Spoken Word dia mahitsy amin'ny fanehoana voambolana...
Ny Spoken Word dia azo adika malala hoe " Teny Lazaina" (mot parlé), iray amin'ny zava-kanto vita amin'ny teny ; miseho amina endrika fanehoana lahatsoratra amin'ny teny, izany hoe tononina na ventesina ho am-bava. Tsy lahatsoratra tsotra ny Spoken Word fa manakaiky kokoa ny "poezia", tsy praozy. Ny Spoken Word dia ventesina amin'ny feo mafy sy mazàna mora raisina ary amin'ny fomba mirehidrehitra (emphatique/plein amphase). Tany Etazonia, ny hetsika "Beat" sy ireo mpanakanto amerikanina mainty hoditra no nampiasa ny teny hoe "Spoken Word" ho an'ny teknikana pôezia ventesina amina feo avo sy mirehidrehitra miaraka amin'ny mozika...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco