Ny "Sôvaramita" dia lahabolana haifamoronana avy amin'i Raphi sy L Niry Andriamora. Azo lazaina efa zava-kanto raikitra tao amin'ireo mpanakanto teo aloha izy ity, izay ahenoana gadona miavaka, tena Malagasy. Iretsy roalahy namorona sy nanome an'ity lahabolana ity dia samy nandalina ny taranja Malagasy  (Riba sy literatiora) ; etsy ankilany dia mifona hanatra sy fanabeazana ary hatsikana sy fialamboly ny Sôvaramita. Mora ho an'ireo izay mahafehy teny hodidina izy ity, indrindra ireo izay mahafehy haingon-teny...

Ny "Sôvaramita" dia lahabolana teraka tamin'ny alalan'ny hai-famoronana, teraka ny taona 2013 ; voambola roa no mandrafitra ny teny hoe "Sôvaramita" dia ny "Sôva" sy ny "Kidaombaramita". Ity farany moa no nakàna ampahanteny "Ramita". Ny Sôvaramita dia manana endrika pôezia, sy fifanosonan'ny literatiora moderina sy ny nentim-paharazana. Ny mpanoratra sady Pôeta L. Niry Andriamora ary Raphi no namorona azy ity. Naka tahaka ny fomba ny sôva amin'ilay mitanisanisa, ary tsy maintsy mingadona kidaombaramita...

Etoana dia ireo mety ho hafatra napetraky ny olona iray mialohan'ny hafatesany no tiana resahina eto. Ny hafatra dia teny napetra amin'olona hafa, teny am-bava na an-tsoratra, mety hisy vavolombelona na tsia. Ny teny dia manana ny hasiny, torak'izany koa ny fanahy, izay velona foana na maty aza ny vatana. Ny isa telo dia isa masina ary metitika misy amin'ireo tranga samihafa, toy ny hoe "maty in-telo ilay fiara" rehefa nitondrana razana iray amin'ny toerana izay mifanohitra amin'ny hafatry ny maty. Mety hiteraka loza ny tsy fanatanterahana ny hafatry ny maty anefa mety ho fifandrifin-javatra ihany koa...

Ny "miteny" sy ny "mivolana" dia samy matoan-teny, ny "tsy" manoloana azy ireo eto kosa dia mpamari-toetra, ireo no mitambatra no menome hevitra "havonavona, fanambaniana", "tsy fifanajàna. Ny hoe"miteny" dia manokatra ny vava, manambara teny mazava, mamoaka ny ao am-po ; ny "mivolana" dia an-tsoratra kokoa, miditra lalina kokoa. Misy heviny mifamatotra amin'ny tantara ary taratra amin'ny kolontsaina ny hoe "volana". ireto misy voambolana ahatarafana ny hoe "volana" ireto : Rasavolana, Mitambolanela(mitan-tsoratra), volan'onjatsy...

Ny hoe "Rasavôlagna" dia misy heviny roa ka ny voalohany dia midika "veloma" ary ny faharoa kosa dia mifanandrify amin'ny lahabolana, azo takarina amin'ny hoe "lahateny". Ny lehilahy matetika no manao ny "Rasavôlagna" kanefa tsy voatery ho izay arakaraka ny zava-misy. Ny fitondrana teny ao anatin'ny Rasavôlagna dia tsy iadivana, ny fehezan-teny, nataon'ny mpandray fitenana averin'ny mpamaly isaky ny handray fitenana dia fanehoana fa mahay mifampihaino ny roa tonta ary mifanaja. Ny toaka ifampizarana amin'ny fotoana hisian'ny fomba sy ny Rasavôlana fanolorana dia toaka vokatry ny tany...

Ny Rasavôlagna dia lahabolana malagasy sy mbola misy mpanao tsara amin'ny fiainana andavanandro. Ny Rasavôlagna dia ny lehilahy amin'ny ankapobeny no tena mpanao azy, lahabolana any amin'ny Betsimisaraka sy ny Sihanaka. Ny Rasavôlagna dia misy karazany toy ny hoe: Rasavôlagna handeha, Rasavôlagna fanolorana, Rasavôlan-dratsy, Rasavôlagna antsabora, Rasavôlagna fisaorana... Ny Rasavôlagna dia toa maivana sy tsy zarizary raha toa ka tsy misy toaka; voninahitry ny toaka mantsy ny Rasavôlagna.

Ny Manisotra dia vondron'olona nosokajiana ho mpiantafika sy mpiady tamin'ny andro nanjakan'Andriamasinavalona. 30 lahy no niatombohan'ny Manisotra, izay voairaka haka ny tanànan'Ambohimasina, izay niova ho Ambohijoky rehefa azon'ireo iraka. Taranaka vazimba, taranaka Zanamahazomby izy ireo, olona matanjaka sy mahay miady ary lian-dra, lehilahy manidina sy mahery, maranin-tsaina ihany koa ireo Manisotra. Maro ny faritra sy ny tanàna no nanirahana ireto Manisotra ireto mba hakana fanjakana ka isan'izany ny tao Fenoairivo, Ambatodrazaka ary Tsienimparihy...

Ny Marofotsy dia anaran-toerana ary nonenan'ireo foko "Marofotsy". Foko iray ankoatra ireo foko maro efa hain'ny maro. Taloha dia Ambaniandrefana no anaran'ny toerana voalaza etsy aloha ; ireo olona na foko "Marofotsy" kosa dia "Maromainty" no niantsona aza fa rehefa nifanitsaka tamin'ny anaran'ireo omby maro tao Ambaniandrefana dia novàna ho "Marofotsy" mba hiavahan'ny olona sy ny biby. Olona avy amin'ny faritra samihafa nandositra fanandevozana sy famorentana ara-dalàna. I Marofotsy dia eo afovoan'ny Faritr'i Boina, Faritr'Imerina, Faritra Sihanaka ary Faritra Tsimihety...

Ny reniala na ny Baobab dia hazo manana ny lanjany ho an'ny Mikea satria manampy azy ireo amin'ny fitahirizana rano ho sotroina noho ny toe-tany main-dava any amin'ny faritra misy azy ireo. Ny mozika "BEKO" no isan'ny mampiavaka ihany koa ny Mikea izay mifamatotra amin'ny fiainany andavanandro toy ny fotoana famoran-jaza sy ny fanamadihana ary indrina amin'ny fotoana misy fahafatesana. Ny Mikea dia mandala ny lalam-pihavanana momba ray izany hoe ny raim-pianakaviana no masimandidy amin'ny fitarihana ny ankohonana. Fanamby lehibe no miandry ireo Mikea noho ny fandrosoana miitatra ka mandindona ny fonenan'izy ireo...

Ny volana "Jona" dia iray volan'ny Teny Malagasy ; ho an'ny taona 2026 dia nanomana fifaninanana ny Foibe momba ny Teny an'ny Akademia Malagasy miaraka amin'ny Akademia Malagasy, mikasika ny "fanabeazam-boho ny teny. Tsy vitsy ankehitriny ireo voambolana ampiasaintsika Malagasy andavanandro, na izy ireny voambolana amin'ny teny vahiny na teny  ampiasaina saingy tsy mbola miaty ; tanjon'ity fifaninanana ity ny mba hanabeazam-boho ny Teny Malagasy...

Ny "Mikea" dia niantsoana ilay "ala voajanahary" mbola lavitry ny tavy sy ny fitrandrahana samihafa, fa taty aoriana noho ny tosika nahazo ireo foko (Masikoro, Mahafaly) nanodidina io ala io  dia nitsofoka nitady fierena sy sakafo tao izy ireo, ireto farany no lasa nantsoina hoe "Mikea". Ny Mikea dia olona niaina tamin'ny fihazàna, fiotazana, tsy nampiasa vilany fa nahalala sy nampiasa afo. Ny toerana misy ny Mikea dia iny faritr'i Toliara II hatrany Morombe iny. Ireo Mikea dia efa mifandray amin'ny olona sy ny fandrosoana ary ankehitriny dia sady misy fampitana ny soatoavin-drazany no manovo ny fampianarana môderina izy ireo...

Ny Hainteny : Lahabolana mirindra, feno ohatrohatra enti-mampita hevitra amin'ny fomba miolaka, amin'ny ankapobeny dia ifamaliana ity karazana lahabolana ity, izany hoe misy miantso (antso) dia misy manoina (setriny). Misy ihany anefa ny hainteny tsoa-tokana, arakaraka ny votoatiny. Ny Merina no miangaly ny hainteny amin'ny maha hainteny azy, satria mety hisy karazan-dahabolana mitovitovy aminy fanaon'ny foko na faritra hafa. Amin'ny ankapobeny dia fifampiantsiana fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy ny hainteny...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...