5 avrily 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)
04 aprily — Arseveka tao Séville i Isidore tamin'ny taonjato fahafito. Rahalahiny sady mpandimby an'i Masindahy Léandre, eveka tao Séville ihany koa i Isidore, zanaka printsy izy ireo ary mbola mpiray tampo aminy ihany koa i Masindahy Fulgence sy i Masimbavy Hortense izay relijiozy nalaza tamin'ny hira masina.
4 avrily 2025 — Zoma, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)
03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco