Misy hatsaram-panahy efatra ao amin'i Masina Maria : ny fanekena izay natao, nanasongadina ny finoana, fananana fanantenana, ny fitiavany miredareda mba hamerenana ny ain'Andriamanitra ao amin'ny fanahintsika olombelona. Tsy nanolotra sorona hafa akory, i Masina Maria ankoatra izay nataon'i Kristy, nanolatra ny tenany ho famonjena ny olombelona. Miankina amin'ny zanany i Masina Maria fa tsy mahaleontena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny zavatra rehetra nataon'i Masina Maria dia tsy nanova mihitsy ny momba azy sy ny fahatanterahan'ny famonjena satria olombelona foana izy, na renin'Andriamanitra aza, olona miaina ny finoana. Mbola misy hiraka ho an'i Masina Maria taorian'ny nahafatesan'i Jesoa, miaraka mivavaka amin'ny mpino izay miandry ny fidinan'ny Fanahy Masina ary miray fo amin'izy ireo ; Masina Maria no santa-bokatra any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny sorona izay nataon'i Jesoa Kristy teo Kalvery sy ny sorona nataon'i Masina Maria amin'ny maha-renin'i Jesoa azy dia iray ihany, ka nijaly izy noho ny fanoheran'ny olona ny zanany. Masina Maria dia nangina sy nitahiry tao am-pony ny zavatra rehetra nolazaina taminy, ary ohatra ho antsika izy. Taorian'ny fahazazan'i Jesoa dia niaraka niasa tamin'i Zanany i Masina Maria, ohatra amin'ireny ny tranga tamin'ilay fampakaram-bady tao Kanà... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Alahady 17 aogositra 2025 : Alahady faha-20 mandavantaona "D" - "Tolona ambony vatolampy ny fiainana, izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha" ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Eo ady hita maso eo amin'ny fiainana andavanandro, fa ao koa ny ady amin'ny fahotana manakana antsika tsy hiraikitra amin'Andriamanitra. Maika mihitsy i Jesoa handrehitra ny afo, izay afo-pitiavana handrehitra ny fon'olombelona, manainga antsika hanaraka izay nataony. Afo ahitana ny rariny : fitiavana, fanadiovana, fanadiovana...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco