Ny Papa Joany Paoly-II dia nanao katesizy misesy mikasika an'i Masina Maria, ka ny laharana faha 54, tamin'ny taona 1997 no miresaka ny fahafatesan'i Renin'Andriamanitra. Tsy manda ny fahafatesan'i Masina Maria ny Papa Pie-XII. Tsy lo fa avy hatrany dia nakarina any an-danitra avy hatrany ny Renin'Andriamanitra ; mety kokoa ny mihevitra fa nandalo fahafatesana izy ... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Misy ny fakam-panahy mikasika ny fanajàna an'i Masina Maria : Mampitandrina amin'ny zavatra hatao amin'ny fanajàna an'i Masina Maria ny Fiangonana, na tsy ampy na mihoatra ny tokony ho izy ; ohatra hoe manao saple miresaka amin'i Masina Maria kanefa zara raha miresaka moma an'i Masina Maria na mampiditra ny fanajàna ny Renin'Andriamanitra loatra amin-javatra rehetra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny hevitry ny Soratra Masina mikasika ny rahalahin'i Jesoa dia tsy miresaka mivantana hoe rahalahy, iray ra sy reny amin'i Jesoa. Ny voambolana "rahalahy" ao amin'ny Baiboly dia tsy voatery hilaza iray reny sy ray fa mety ho havana. Omena toerana manokana i Masina Maria noho ny fahasoavana manokana noraisiny tamin'Andriamanitra, anefa tsy mitovy haja amin'i Jesoa, Andriamanitra Trinitera... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...