Jesoa no ivon'ny fiainana sy faratampon'ny litorjia - Tsy ampy ny "mouvement liturgique" fa tsy maintsy asiana fanazavana. Tamin'ny 11 oktobra 1962 dia nanokatra ny Konsily Vatikana-II, ny Papa Jean-XXIII, ka ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe dia ny fanavaozana ny Litorjia... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Tsy maintsy milozoka amin'ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina ireo rehetra manana andraikitra amin'ny Asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, na ireo mpandraharaha masina, loha-laharana amin'izany ny pretra, ny diakra ary ny katesista satria tsy maintsy mampita ny haremben'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny kristiana nankinina taminy izy ka mitaky fandalinana izany... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny Teôlôjia dia sampam-pianarana manokana momba ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny Misterin'ny Finoana. Ny Teôlôjia ihany koa dia fianarana momba ny Fanahy Masina, Masina Maria, Jesoa Kristy ary ny Sakramenta, kanefa hoy tsy maintsy ny Soratra Masina mandrakariva no ifotoran'ireny fampianarana maro ireny, satria izy no aina mamelona ny Teôlôjia Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana dia mira zotra ho fampandrosoana ny firenena, indrindra ho fandravana ny lainga, sy ny tsy fahamarinana, kolikoly. 14 oktobra 1958 no nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy fa afaka i Madagasikara, saingy hatramin'izao anefa dia mbola eo ambany ziogan'ireo firenena matanjaka vahiny ny Malagasy. 14 oktobra 2025 no nijoro ireo Miaramila hanavotra ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco