23 marsa — I Alphose Turibio dia arseveka tao Lima. Mpanao asa soa ireo indianina nijaly noho ny fanjanahan-tany nataon'ny Espagnols tao Pérou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse ary ny mpanjaka Philippe II no nanendry azy ho arseveka tao Lima.
23 marsa 2025 — Alahady Fahatelo amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)
22 marsa — Mpianatr'i Masindahy Jérôme i Léa. Anisan'ireo vehivavy manan-kaja romana mpankafy ny fampianaran'i Masindahy Jérôme izy. Amim-pankasitrahana tokoa no nihainoany ny famakafakana ny Soratra Masina natoan'i Masindahy Jérôme tao Rome. Rehefa maty ny vadiny, dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ka niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Rome izy ary lasa lehiben'io trano io izy taty aoriana.
22 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco