Efa noresahantsika teto avokoa ny paik'ady rehetra entina manorina fahombiazana sy fiadanana, na teo amin'ny lafiny ara-batana, na teo amin'ny lafiny ara-tsaina, na teo amin'ny lafiny ara-po sy fitiavana, na teo amin'ny lafiny ara-panahy.

Ny teny famporisihana dia fanehoam-pitiavana, ary ny fitiavana dia manova zavatra lehibe. (21-11-2019)

Dingana maromaro no tsy maintsy lalovana rehefa hikolokolo ny fahasalamana ny olona. Ary tsy misy azo tsinontsinoavina avokoa izany. Raha tiana ny hahazo fahasitranana ao anatin'ny fotoana tsy dia maharitra rehefa mitsabo, dia tsy maintsy omena lanja avokoa ireo dingana maromaro ireo.

Ny fahavanonana dia tsy maintsy miainga amin'ny fanajana ny tenananao aloha no voalohany, avy eo dia mipaka amin'izay manodidina anao izany. (30-10-2019)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...