Hoy Jesoa "Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra ; fa ara-baiboly dia mitovy tanteraka ny hoe "masina" sy ny hoe "lavorary". Noho izany dia sady antso no faniriana lalina ao amin'Andriamanitra ny hahamasina antsika. Ny fananana ny fahamasinana no fototry ny famonjena... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alahady 06 jolay 2025, Alahady faha-14, tsotra, mandavan-taona "D" : Matokia mitory ny Evanjely ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra! Isika Kristianina ankehitriny dia nofidian'i Jesoa sy nirahiny hanohy ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Noho ny finoana izay noraisintsika sy ezahantsika ivelomana no mpialoha lalana azy Jesoa sy ho mpanomana ny hatongavany amin'ireo mbola tsy mahalala azy, atomboka eo amin'ny manodidina antsika. Ny fitoriana amin'ny fo manontolo no tian'ny Tompo...
Lazaina fa manao "palpitation" ny olona iray raha toa ka mihoatra ny 100 isa-minitra ny fidoboky ny fo, mandritra ny fotoana ialan'ny olona iray sasatra. Ny retsika mibaiko ny fidoboky ny fo dia misy "systeme cardionecteur" ary ny "nerf sympatique - nerf parasympatique". Ny palpitation dia mety ho vokatry ny zava-misy na olan'ny fo mihitsy, noho izany dia ilaina ny manatona mpitsabo raha vao misy mampiahiahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Mbola misy ny fampihorohoroana atao amin'ny vahoaka any Antanambao-Mahatsara, Distrika Vatomandry ankehitriny, mikasika ny tsy fanekena vokam-pifidianana ben'ny tanàna ny volana desambra 2024... ♦ Mampiseho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fananan'ny fitondram-panjakàna vola, ny olana ara-tsosialy sy toe-karena eto Madagasikara ankehitriny hoy ireo solombavambahoaka mpanohitra... ♦ Mitaraina ireo Federasiôn'ny Mpanao Asa-tanana fa ahondrana any ivelany ireo akora fototra fanaovana asa-tanana tsara kalitao... ♦ Noraisin'i Papa Léon-XIV, tao amin'ny Lapa Apôstôlika tao Vatican omaly, ny Praiministra avy any Montenegro, Miloiko Spajich...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco