♦ Taranja miisa 4 amin'ireo 7 n natrehan'ireo mpiadina ny fanadinam-panjakàna CEPE ho an'ny tapany maraina teo. HIvoaka ao anatin'ny 4 ka hatramin'ny 10 andro ny valin'ny fanadinana hoy ny Ministry ny fanabeazam-pirenena ny maraina teo... ♦ Hikorontana ny fifamoivoizana an-dranomasina amin'ny morontsiraka maro eto Madagasikara hanomboka rahampitso. Nampitandrina ny Météo fa mety hiteraka faharendrehana an-dranomasina ny haavon'ny onja... ♦ Hiatrika ny lasy nasiônaly ny volana jolay sy aogositra izao ny skoto Antilin'i Madagasikara... ♦ Tsy hita tany amin'ny fari-dranomasim-be atlantika nanomboka ny alahady tolak'andro teo ny sambo mpisitrika iray. Nitondra olona 5 izy io nikasa hijery ny sisan'ilay sambo nalaza Titanic...
Ny "saina" dia misy velarana tokony ho hajaina, raha toa ka latsaky noho ny refy voalaza dia "faneva" no fiantsoana azy. Ny refy farany kely indrindra amin'ny sainam-pirenena dia mitovy ny velaran'ny loko tsirairay ka 15 santimetatra ny sakany ary 30 santimetatra ny lava ; noho izany raha mitambatra ny lamba miloko rehetra dia 30 santimetatra ny sakany ary 45 santimetatra ny lavany. Ranaivoson Andrianome no namorona ny firafitry ny sainam-pirnena malagasy. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE anio ireo mpianatra eo anivon'ny kilasy faha-5 eto Madagasikara. Maherin'ny 510.000 isa ireo mpiadina hiatrika izany manerana ny nosy... ♦ Mangataka ny Antenimieram-pirenena hanao latsa-bato fiampangàna ny filoham-pirenena ny Antoko Pôlitika Madio, manoloana ny fizakany ny zom-pirenena frantsay. Nanatitra taratasy mirakitra izany teny Tsimbazaza izy ireo omaly... ♦ Tafaverina eto Madagasikara ireo volamena 1,8 taonina navadika ho "Lingot d'or" tany ivelany. Hatao tahirim-bolamena eo anivon'ny Banky Foibe ireo volamena ireo ka sambany no manana isika...
Fitiavan'Andriamanitra sy fanehoany ny tenany sy ny asany ny fahariana ; mitory ny hatsarany tsy misy fetra. Ny fahariana dia famoronana niainga tamin'ny tsy misy, miampy fametrahana lamina ao amin'ireo ; tsy hoe rehefa nisy dia ampy fa nomena ilay lamina : hitomboan'ny taranaka, hifamelona. Miavaka ny fahariana ny olombelona fikasan'Andriamanitra manokana mihitsy, novolavolainy sy nomeny ny fofon'ainy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco