Alahady fankalazana ny nisehoan’ny Tompo na Epifania : Izao tontolo izao no irin’andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ; Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo. Vita ny fetin'ny Noely, mety ho lalovan'ny maro fotsiny ny fankalazana ny Epifania, anefa banga ny Misterin'ny Noely raha tsy hita taratra amin'izao tontolo izao amin'ny Epifania ny Misterin'ny Noely. Ny Epifania dia manipika ny asany eo amin'ny vahoaka manerana ny tany tontolo izay solon'ireo Majy tena. Tamin'ny Noely dia tsy niseho afatsy tamin'ireo mpiandry ondry i Jesoa, fa amin'ny Epifania dia mandray ny olona rehetra eto an-tany izy ; ny firenena rehetra no vonjen'i Jesoa, Mesia ho an'ny olon-drehetra izy...
Ny vitamina dia singa organika ilain'ny vatana isanandro, hita ao anaty sakafo, amin'ny fahafahan'ny vatantsika sy ny taova miasa. Misy antony telo no mety mahatonga ny tsy fahampian'ny vitamina ao amin'ny olona iray : ny sakafo mihitsy no tsy misy vitamina ; mety ho ny vatana mihitsy no tsy mandray vitamina ; tsy mety ny fampiasan'ny vatana ilay singa "vitamina" ... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco