Soa ho an'ny vahoaka ny tetik'asam-panjakàna momba ny vaksiny ; mandritra ny volana oktobra 2024 dia hisy ny vaksiny faobe ho an'ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka. Fisorohana eo amin'ny aretina miisa 11 eo no tombontsoa azo avy amin'ny fanatanterahana ny vaksiny ho an'ny zaza, mifanaraka amin'ny tetiandro faritan'ny mpitsabo : Lefak'ozatra, difteria, tetanosy, meninzita, koho-davareny, aretin'aty-B, aretin-tsofina, ny fivalanana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Tanterahina anio manerana ny OVEC 120 ny hatsapaky ny laharan'ireo kandidà voatazon'ny voamieram-pirenena mahaleon-tena mikarakara ny fifidianana hiazakazaka amin'ny fifidianana ben'ny tanàna anatin'ny bileta tokana... ♦ Fampidirana anaran'ny mpifidy tsy voasoratra anaty lisi-pifidianana, ireo fangatahana voarain'ny CED alohan'ny 30 novambra ihany no manankery... ♦ Efa vonona ny anam-pamokarana sy ny fitaovam-pamokarana enti-manohana ireo tokantrano hisitraka ny tetik'asa "Ankohonana Miarina" ao Fieferamanga Distrika Arivonimamo... ♦ Andrasana ao Berlin amin'ny sabotsy izao ny fahatongavan'ny filoha Amerikana Joe Biden sy ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, mikasika ny adin'i Ukraine sy Russie...
Ny fanetren-tena dia toetra fototra iorenan'ny fivavahana ahafahana manatona an'Andriamanitra sy misaotra Azy. Mila manana fanetren-tena isika raha hanatona sy hisaotra an'Andriamanitra, fa hoy indrindra i Md Paoly ao amin'ny Taratasiny ho an'ny Romana hoe : na izay tokony hangatahantsika amin'ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika ; izay manetry tena dia mahay mandray maimaim-poana... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
9 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco