♦ Paikadim-pirenena vaovao no entin'i Madagasikara hiady amin'ny kolikoly, manomboka ny taona 2025. Misy atrikasa isam-paritra hamolavolana izany... ♦ Nahatratra 4.300 taonina ny lavanila nahondrantsika malagasy tany ivelany tamin'ity taona 2024 ity... ♦ Hajoro ny fikambanan'ny infirmiera aty Afrika. Hisy ny fivoriambe ataon'ny infirnmiera malagasy any Nosibe, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, hanomanana izany...
♦ Fifanitsahana andraikitra eo amin'ny samy mpanatanteraka no antony mampitarazoka ny fananganana ny Governemanta, hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Sakana isan'ny tsy mampandroso ny kaominina ambanivohitra ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitry ny vahoaka eny ifotony sy ny tsy fandoavan-ketra... ♦ Hanaovana ezaka manokana ao amin'ny Distrikan'i Farafangana ny lafiny fandrim-pahalemana, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...
♦ Efa tonga an-tanindrazana ary alefa any amin'ny faritra arovana any Berenty, ireo sokatra 142 sisa velona tra-tehaka tany Comores. Sokatra miisa 208 hafa, saika ahondrana an-tsokosoko kosa, saron'ny zandary tetsy akaikin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizan'izy ireo ny hetsi-pitakiana ataony, hoy ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra... ♦ Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no hita faty, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, tao amin'ny Kaominina Imerintsiatosika omaly...
Araka ny voalaza ao amin'i Lioka 3, 21 : tamin'ilay natao Batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao Batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra. Araka ny voalaza ao amin'i Matio 14, 23 : ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana ; ka noho ny alina ny andro dia Izy irery no teo... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco