♦ Nampanantena indray ny mpitondra fa afaka roa herinandro ny fitanterana ireo fitaovana vaventy avy ao Toamasina ho famahana ny olan'ny JIRAMA... ♦ Efa tafapetraka ny taratasy fangatahana toerana kasain'ny saindika TRIADE hanaovana ny fivoriambe hijerena miaraka ny olan'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Nosafidian'i Père Pedro Opeka mpitantana ny toby Akamasoa hankalazana ny jobily faha-50 taona naha pretra azy ny any Vangaindrano... ♦ Voafonja maherin'ny 13.500 no tafatsoaka vokatry ny savorovoro any Népal. Herisetra mbola tsy nisy tao anatin'ny 20 taona no nitranga tany an-toerana...
Ny misongady amin'ny fanirahana an'i Môizy : famaritan'Andriamanitra ny tenany mivantana sy ny momba azy amin'ny zanak'Israely ; araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Môizy hoe : "Ilazao ny vahoaka fa Izaho ilay MISY", izany hoe, ilay eo an'ivon'ny vahoaka mandrakariva. Ny fanafahana ny vahoaka teo anatrehan'i Faraoana dia noho ireo toro-marika avy amin'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Miantso ny mpanao politika tsy ankanavaka, na mpanohitra, na mpiara-dia amin'ny fitondrana, ny antoko ALFA, mba tsy haneho hevitra mifono fihantsiana sy fandranitana ka ahiana hiteraka savorovoro eto amin'ny firenena... • Hiroso amin'ny fivoriambe ny sendika TRIADE amin'ny zoma 19 septambra ireo. Misy ireo tompon'andraikitra manao ny sakantsakana amin'izany... • Hikorontana ny famatsian-drano amin'ireo toerana maromaro ao Antananarivo Renivohitra, rahampitso alakamisy...
♦ Efa mirehatra mena avokoa ireo tondro rehetra maneho ny tsy fahombiazan'ny fitantanan'ny mpitondra sy ny fahantran'ny vahoaka Malagasy hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Voaresaka tamin'ny fihaonana teo amin'ny filoha Malagasy sy ny delegasiôn'ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy sy ny fanavaozana ny satan'ny orinasa jirama... ♦ Eken'ny kaominina Antananarivo renivohitra ny hiasan'ny taxi-moto ho fitaovam-pitanterana ara-dalàna, hijery miaraka ny fomba hametrahana ny rafitra ho azy ireo ny kaominina sy ireo chef de piste...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco