♦ Mangataka ny hanemorana ny fanatanterahana ireo asa lehibe tsy laharam-pahamehana kanefa mandany ny volam-bahoaka, ny antoko MMM... ♦ Nihemotra, ka any amin'ny faran'ny volana septambra indray vao ho tafaverina eto Madagasikara, ireo sokatra sy varika nisy nanondrana tany ivelany, ka tratra tao Thailande... ♦ Nodimandry androany maraina i Rampal ao amin'ny Tarika Rebika, ary hotanterahana anio ny fandevenana an'i Simon Randria...

Notendren’ny Papa François ho evekan’Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia - Masindahy François de Sales ao Toamasina.

♦ Mbola tsy isan'ireo Solombavam-bahoaka mandray anjara amin'ny asany eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoakan'i Vangaindrano noho ny famonjana azy. Asan'ny Fitsarana izany, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famaritana ny atao hoe mpampaneno lakolosy ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Misedra olana vokatry ny fihenan'ny rano any Andekaleka ny famatsiana herinaratra amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo. Manjaka ny fahatapahan-jiro mifandimby...

Rehefa nitalaho tamin'Andriamanitra Elia nanao hoe : "Mihainoa ahy ry Tompo ô, mihanoa ahy" mba hieken'ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra ary Ianao ihany no mampiverina ny fon'izy ireo indray. Nirotsaka ny afo ary nandoro ny sorona mbamin'ny kitay sy ny vato mbamin'ny tany ary ritra ilay rano nanodidina. Ny afo dia famantarana ny endriky ny herin'ny fanadiovan'Andriamanitra. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...