Maro ireo fomba hanamaivanana ny fijalian'ireo fanahy mijaly ao amin'ny afo fandiovana. Miisa 3 no atolotra izao dia ny fampijalian-tena hatao an-tsitra-po sy ny fampijalian-tena tsy fanahy iniana; ny fahoriantsika ao anatin'ny fotoana fohy dia hitondra fahasambarana mandrakizay ho azy ireo. Ankoatra izay dia manampy azy ireo ihany koa ny fanaovana asa fiantrana amin-kerim-po, tena ilain'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana izy ity, ho toy ny ando mirotsaka tsy tapaka amin'ireo fanahy mijaly ao amin'ny toeram-panonerana sy manamaivana ny fijaliany no sady mahasoa antsika ihany koa. Ary ny fahatelo farany dia ny fanolorana lamesa ho an'ny fanahin'izy ireo, araka ny fijoroana vavaolombelona dia nisaotra ilay Pretra namany ny Pretra iray izay efa nodimandry, nisaotra azy tamin'ny fanafahana azy, "noho ny lamesa izay natolotrareo dia niala tao amin'ny afo fandiovana aho ary niakatra any an-danitra, mifanatri-tava amin'Andriamanitra, ilay niarahantsika nitsaoka fahiny".

  • Namoy mpiara-miasa teo aloha izahay eto amin'ny Radio Don Bosco. Nodimandry omaly ny mpanao gazety tamin'ny fotoan'androny, Rolland Rakotondramasy...
  • Mitaky ny hisian'ny lisitra tovana ho an'ireo anarana vaovao nampidirina anaty lisi-pifidianana, amin'ny alalan'ny "ordonnance" ny KMF/Cnoe Fanabeazan'olom-pirenena...
  • Efa nisondrotra ny saran'herinaratry ny JIRAMA ho an'ny vondron'orinasa afak'haba eto Madagasikara. Misy fiatraikany amin'izy ireo izany, hoy ny filohan'ny GEFP...
  • Mpandeha 17 isa tsy hita popoka, vokatry ny faharendrehan'ny sambo mpitondra mpizahan-tany tao amin'ny ranomasina mena any Ejipta...

  • Nolanian'ny Solombavam-bahoaka teny Tsimbazaza androany, ny volavolan-dlaàna roa mahakasika ny fisamboram-bola amin'ny BAD sy ny FAD...
  • Eto amintsika ankehitriny ny Tale Rejionalin'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, na ny OIT aty Afrika, Ramatoa Fanfan Rwany Indo...
  • Efa misy fisondrotany ny vidin'ny herinaratry ny Jirama ampiasain'ny mpikambana ao amin'ny Vondron'ny Orinasa Afakaba, na ny GEFP...

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...