20 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)

♦ Mitaky ny efa amoahana dieny izao ny anto-bola ho an'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Mampitandrina ireo milaza ho manana laza adina Bakalôrea sy manaparitaka izany, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Velona ahiahy amin'io tranga io ireo mampianatra sasany, telo andro mialoha ny fanadinana... ♦ Mbola ampy ny isan'ny enjeniera eto Madagasikara. Misy amin'izy ireo no tsy mahita asa mifanaraka amin'ny maha enjeniera azy, hoy ny Holafitra androany, ka mila fitadiavana vahaolana...

♦ Notokanana tamin'ny talata 16 jolay 2024, ny toerana izay misy ireo Masera Notre-Dame du Mont Carmel avy any Inde. Hiasa ao amin'ny faritra Avaradrano, Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka ny alakamisy teo ny andiany faha-40 amin'ny Fihaonambe sy Filankevitra Nasiônaly tanterahan'ny ACUM... ♦ Tanterahana any Asuncion, renivohitr'i Paraguay, nanomboka ny alatsinainy teo ny Fihaonambe faha-21 ho an'ireo miandraikitra ny Pastôralin'ny Tanora any Amerika Latina sy ny Nosy Caraïbes...

Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany amin'ity taona ity ny UNION MATANJAKA, fikambanamben'ny tantsaha mpamboly sy mpiompy misandrahaka ao amin'ny Distrikan'Antsiranana faharoa. Tsenabe atao ao Antsiranana ny 18 hatramin'ny 20 jolay 2024 no anombohana izay fankalazana izay.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...