Mitaky fandraisana andraikitra ny hoe tia ; Ny fitiavana mafy orina dia nandalo sedra maro. Tsy mety ny mitia amin'ny molotra fa mila mitia amin'ny fahamarinana. Anisan'ny olana fa tena niova sady lasa hafa tanteraka ny fiheveran'izao tontolo izao ny dikan'ny tena fitiavana, hany ka ny hoe raiki-pitia dia matetika mitovy amin'ny hoe tafalatsaka amin'ny filan'ny nofo. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
17 aprily 2024 — Alarobia, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)
♦ Tanterahana eto Madagasikara mandritra ny telo andro ny atrikasam-paritra momba ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fomba ikarakarana ny zava-maniry iantohana ny fahasalaman'ny mpanjifa ho an'ireo firenena ao amin'ny Vondron'ny Ranomasimbe Indiana na ny COI... ♦ Hisitraka tombontsoa maro manoloana ny fahavitan'ny tohadrano ny mponina ao Ambohimasina Distrikan'Arivonimamo, Faritra Itasy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony, momba ny toerana hiatrehan'ireo kandidà tsy miankina, amin'ny fanadinana Bakalôrea amin'ity taona ity, ny Vovonan'ny Sekoly tsy miankina...
♦ Anio no hamoaka ny lisitra ôfisialin'ireo ho kandidà solombavambahoaka ny CENI. Tsy hanalavitra ny 460 eo ireo mpirotsaka ho fidiana nahazo fankatoavana raha ny tombatombana... ♦ Mbola tsy voaloa ny trosa "Crédit TVA" an'ireo orinasa tsy miankina tokony hahazo izany. Manome fe-potoana hatramin'ny faran'ity volana aprily ny Vondron'ny mpandraharaha... ♦ Any Toamasina no hanatanterahana ny filan-kevitry ny ministra. Sambany no hotanterahina ivalan'Antananarivo izany amin'izao fe-potoam-pitondrana faharoan'ny filoha ankehitriny izao... ♦ Ahiana ny valim-panafihana an'i Irana ataon'i Israeliana. Manahy ny AIEA fa mety ho tafihan'i Israel ny toby nokleary Iraniana, ka hiitatra amin'ny fiandohan'ny Ady Lehibe fahaelo...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco