Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka. Manandanja ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana, izay hampitain'ny ray aman-dreny amin'ny zanany. Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia fomba afahana mamelona indray ny fihavanana sy ny firaisan-kina, mamerina ny fifanajana. Ny Malagasy no tena mahalala ny atao hoe "fihavanana" izay teny malagasy tsy misy dika teny hafa. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco. 

♦ Nandefa taratasy fankaherezana sy fiombonana ho an'ireo Evekan'ny Nosy Maurice sy ny Nosy La Réunion ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara manoloana ny takaitra navelan'ny rivo-doza Belal... ♦ Hotohizana ireo tetikasa entina hanatsarana ny famatsiana angovo eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo Olivier Jean Baptiste... ♦ Nilaza ho niharan'ny fandrahonana ataon'ireo tsy manara-dalàna amin'ny fanotorana tany ao an-drenivohitra ny Ministra teo aloha Pierre Houlder... ♦ Lany ho filohan'i Comores tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany amin'ny taham-pandraisan'anjara an'ny mpifidy 16,30% i Azali Assoumami...

Ireo zokiolona dia manofana ireo tanora, mizara ny trai-kefam-piainany. Misy ny fiheverana fa sakana ho amin'ny fahafahana ny zikiolona, vesatra ara-toekarena indrindra ny amin'ny resaka sakafo ary ny fitsaboana rehefa anatin'ny aretina. Tsy eken’ny Eglizy ny fomba rehetra manafaingana ny fahafatesan’ny zokiolona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

17 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 1-6)

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...