30 mey — Teraka tamin'ny 06 janoary 1412 tao Barrois ao Domrémy i Masimbavy Jeanne d'Arc. Ny 30 mey 1431 izy no nodimandry tao Rouen. Jacques d'Arc sy Isabelle Romée no anaran'ny ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo ka nanan-katao tokoa.

Ny ankizy sy ny tanora no maro an'isa eto Madagasikara. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza mba ho tompon'andraikitra amin'ny tenany, ary mivelatra amin'ny fiaraha-monina. Noho ny fomba fanabeazana dia manana adidy sy andraikitra hampandroso ny firenena amin'ny tsirairay. Tsara alain-tahaka ny fomba fanabeazana sôvetika : ny fametrahana an-tsoratra lehibe amin'ny talaky maso ny zavatra sy lesona tokony hotadidiana sy hajaina, isany singa hanefy ny tsirairay ireny... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

29 mey — Teraka tao Silly, Poitou tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo i Maximin. Fanta-daza tao an-tanana ny fianakaviana nipoirany ary nalaza tamin'ny fahamasinana. Hatramin'ny nahaterahany i Maximin dia nahazo fanabeazana mendrika. Mirahalahy izy no voaantso ho mpiandry ondry eo amin'ny Fiangonana.

• Nitondra fanazavana ny teo anivon'ny Sampana Mpamonjy Voina Antananarivo, momba ny zava-nisy tamin'ilay hain-trano goavana teny Tsarahonenana omaly hariva... • Nankalaza ny andro maneran-tany ho an'ny Croix Rouge androany, ny fianakaviamben'ny Croix Rouge Malagasy... • Miomana amin'ny fiatrehana ny kongresy nasionaly ny antoko TGV, ka mamelomaso ny mpikambana eny ifotony. Natao androany ny fanetsiketsehana ny tany amin'ny distrikan'i Manjakandriana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...