♦ Manatanteraka ny Fivoriambe voalohany, fanao isan-taona, ny Fivondranamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hotanterahana ny 14 mey 2023 ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika... ♦ Ho fanatsarana hatrany ny fanabeazana ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara, dia nisy fiofanana nandritra ny telo andro, notanterahana ny faran'ny volana aprily teo, teny amin'ny Akamasoa...
Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.
♦ Miisa 14 ireo mpitrandraka an-tsokosoko, tratra tao amin'ny faritra arovana Menabe Antimena, tao anatin'ny telo andro. Efa nampidirina am-ponja vonjy maika ny folo tamin'izy ireo... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 80.000 Ariary ny kilao amin'ny lavanila masaka, any Vohémar. Tsy antenaina hamaha ny olana ny rafitra vaovao CVM, hoy ny Solombavambahoaka any an-toerana... ♦ Mitaky ny mangarahara sy ny fandoavana ny anjara volany tamin'ilay Prize Money, azon'ny Barea tamin'ny Chan farany teo, ireo mpilalao...
Toy ny isan-taona dia mikarakara ny antsoina hoe “Andro Sosialy” ny Asam-pamonjena sosialy sy ekolojika izay tantanan’ny Fikambanan’I Jesoa eto Madagasikara, mba ijerena akaiky sy itadiavana vahaolana manoloana ireo olana diavin’ny fiarahamonina. Araka ny lohahevitra dia hiresaka mahakasika ny fifidianana ity hetsika lehibe ity. Ny tanjona dia (i) ny hisoroka izay fifandirana ahiana hiseho na amin’ny lafiny ara-politika izany na amin’ny lafiny hafa toy ny firohotana isan-karazany na ny fikambanana ara-tsosialy, ka hisongadina ao anatin’izany ny firesahana ny etika sy ny moraly tokony ananana amin’ny andraikitra ara-politika... Fandaharana "miaina sy mitia"
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco