Zoma 17 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23
♦ Natomboka androany tetsy amin'ny CCI Ivato ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hapetraka ny "Guichet agricole", hanampiana ny tantsaha mba ho afaka hisambo-bola, hoy ny Filoham-pirenena, raha nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy... ♦ Hita faty androany tokony ho tamin'ny 2 ora maraina, ilay tovovavy 21 taona, nokarohana tany amin'ny Kaominina Sabotsy Anjiro Moramanga. Nanitsy ny fianakaviany fa famonoana no natao taminy fa tsy fakana an-keriny...
♦ Tanterahana ety amin'ny Foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato, mandritra ny roa andro, ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanokatra izany, androany maraina, ny Filoham-pirenena... ♦ Mitaraina ireo mpamokatra lavanila any amin'ny Faritra Diana, fa tsy voahaja ny vidin'ny lavanila maitso, 75000 Ariary ny kilao, izay noferan'ny fitondram-panjakana... ♦ Mampanantena ny tsy hisian'ny fahatapahan'ny herinaratra mandritra ny fetin'ny asaramanitra, ny ao amin'ny orinasa Jirama...
Alakamisy 16 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco