27 jolay — Ny Nathalie resahana eto dia ilay Nathalie maty martiry tamin’ny taonjato fahasivy, novonoina niaraka tamin’ny vadiny. Mafy tokoa manko ny fanenjehana ny kristianina tany Cordoue tamin’izany fotoana izany ka raha teo ho velona dia tsy maintsy mifindra musulman.

Mamaha krizy fotsiny ve ny mpitondra fanjakàna?. Hoy ny Papa François : "tsy mpamaha krisy fotsiny no andraikitry ny mpitondra fanjakàna fa natao hamoron-javatra hikendrena ny soa iombonana". Ny asa momba ny politika dia manome ny vahaolana rehetra takian'ny olana maro lafy ary tsy maintsy mikendry tombontsoa iraisana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

♦ Mitokona mitaky ny hanomezana azy ireo ny vacation na ny saran'ny fiambenana ho an'ny fanadinana bakalôrea ny taona 2020 sy ny taorian'izay, ny mpampianatra mitsara fanadinana bakalôrea any amin'ny faritanin'Antsiranana... ♦ Ampanavaozana ny paik'adim-pirenena momba ny fanofanana ara-pamokarana sy ny eny ambanivohitra na ny SNFAR ankehitriny ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tontosa ny dingana voalohany, dia ny fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra voakasin'izany... ♦ Nametrahan'ny Weter Aid Madagasikara, foto-drafitr'asa fidiovana sy fanadiovana ny sekoly sy ny tobim-pitsaboana maromaro ao amin'ny kaominina Manjakandriana. Mponina 220.000 mahery, amin'ny fokontany 09 no misitraka izany...

♦ Mila fanavaozana ara-pitantanana sy ara-toe-karena ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny antoko Fanorenana Ifotony ho an'i Madagasikara. Nambaran'ny FIAM fa ilaina ny fikaonandoham-pirenena handinihana izany rehetra izany... ♦ Hanao hetsika manokana ny Zandarimariam-pirenena ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra izao. Fepetra maromaro no hihatra manomboka rahampitso eny amin'ny lalam-pirenena... ♦ Tobim-pahasalamana 116 any atsinanan'i Madagasikara no notoloran'ny USAID fitaovam-pitsaboana sy kojakoja samihafa. Fanampiana ara-pitaovana mitentina 34 miliara Ariary...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...