I Madagasikara dia efa an-tapitrisany taona no efa nisy, izay ampahantany nihataka tamin'i Afrika sy Azia. Efa nisy mponina ny nosy Madagasikara, izay feno ala, izay azo lazaina ho olon-dia, nivelona tamin'ny fihazana biby sy fihinanana voankazo sy zava-maniry samihafa. Ny vazimba dia ireo olona tompon-tany hatramin'ny nisian'i Madagasikara, olona nitafy hodi-kazo. Nanaja ny razana sy ny fasana ny vazimba hany ka nataony tsy hitan'ny maso ny fasany ary lasa hasinina. Noho ny afotro (Volcan) dia maro ny maty. Ny toerana misy ny tarana-bazimba : Ambohimanarina, Andranoro, Ambohibao...

♦ Hivory tsy ara-potoana manomboka anio ny Antenimieram-pirenena. Andrasana amin'ireo Solombavahoaka ny fanapahan-kevitra momba ny raharaha pôlitika, ankoatra ny fandaniana lalàna... ♦ Mbola tsy niala ny "immunité parlemantaire" an'ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina amin'izao fisamborana azy izao, raha ny fanazavan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena omaly... ♦ Handray ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny diôsezin'i Farafangàna... ♦ Mikasa ny hamoaka ireo sambo mpitondra solika 900 isa izay mihitsoka any amin'ny fari-dranomasina Persika ny tafika amerikàna...

Tsy afaka hiaina ivelan'ny fiaraha-monina ny mpivady. Natao hiara-hiaina aman'olona, na samy manana ny toetrany aza ny tsirairay. Tsy mora mandrakariva ny miara-monina, eny fa na dia ny fiaraha-monin'ny mpivady aza dia tsy hoe : mandeha ho azy akory fa mety hisy korontana, mety hisy tranga maro manimba ny fifankatiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

• Tsy mbola azo esorina amin'ny Solombavam-bahoaka Naivo Raholdina, ny zo tsy azo enjehina, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, raha tsy mbola misy fanapahan-kevitra avy amin'ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena... • Firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara, ka manaja ny safidiny amin'ny fiaraha-miasa amin'ny firenen-kafa, toa an'i Rosia ny Vondrona Eoropeana, hoy ny masoivohony eto amintsika, Roland Kobia... • Mikarakara atrikasa mandritra ny roa andro, handalinan'ireo mpikambana ao aminy, ny lalam-pihariana fiompiana tantely, ny tambajotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra, na ny Réseau SOA...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...