Dia iny niarahantsika nahita tamin’ny herinandro iny ny hetsik’ireo mpiasan’ny Jirama. Nitaintaina ny rehetra fa izay vao tsy hisy famatsiana herinaratra sy rano intsony fa hitokona ny mpiasa. Nilaza rahateo ireo mpitarika fa akatona ny birao fiasana fa eny Soanierana ny fotoana ho an’ny mpiasa rehetra teto Antananarivo. Toa nahitana fitokonana koa aza tany amin’ny faritra. Kabary mafonja no heno teny Soanierana nataon’ireo nandray fitenenana, vava re izao e! Tsy hifampidinika fa tongava ety e! Voatonontonona ny anaran’ny Solombavambahoaka malaza, nomena fe-potoana 24 ora hatramin’ny Filoham-pirenena hamaha olana.
Ny relijiozy manokan-tena hanahaka an'i Jesoa dia manao ny voadin'ny fanekena izy mba hanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly. Amin'ny alalan'io voadin'ny fanekena io no anolorany ny sitrapony manontolo ho sorona amin'Andriamanitra. Entanin'ny Fanahy Masina ny relijiozy ka manaiky amim-pinoana ny Lehibeny... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, misy farany ny zavatra rehetra, ny mahantra mbola hanana. Zava-dehibe ny fifamelàna, ny fahaiza-mihaino sy ny fifampitondrana am-bavaka. Manana adidy ny mpitondra manam-pahefana sy ireo mpanana hitsinjo izay rehetra hanarenana ny fiainan'ny vahoaka : famoronana asa. Manana adidy hanova sy hampivoatra ny toe-tsaina entina hitrandrahana ny harena nomen'Andriamanitra an'i Madagasikara, isika Malagasy rehetra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny relijiozy dia manao ny voadin'ny fahantrana an-tsitrapo ; i Kristy, ilay nanaiky hahantra mba hampanan-kerena antsika amin'ny fahantrany, araka ny ambaran'i Masindahy Paoly ao amin'ny Taratasy faharoa ho an'ny Kôrintianina. Ny fiankinan'ny relijiozy amin'ny Lehibeny amin'ny fampiasana ny harena dia fanehoana ny fahantrana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco