16 nôvambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)

  • Namoaka hafatra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny famaranana ny fivoriana ara-potoana faharoa fanaony isan-taona, androany...
  • Manome tantsoroka amin'ny lafiny maro ho an'ny orinasa malagasy ny CGA, ivontoerana nahazo fankatoavana avy amin'ny Foibe Fitantanana Ankapobeny ny Hetra...
  • Ny 40%-n'ny ankizy an'arivony mampiasa ny Internet, nanaovana fanadihadiana teto Madagasikara dia milaza fa efa niharan'ny fanararaotana mamoafady tamin'ny alalan'ny Internet avokoa...

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...

Mandresy lahatra ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'Ambatoboeny Faritra Boeny hikajy ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna ireo teknika fambolena mifanaraka amin'izany ny Fivondronan'ny Tantsaha Miara-mizotra... Miasa amin'ny kaominina miisa 6 ao amin'ity Distrika ity ny fikambanana efa ho 3 taona izao. Sehatr'asa ataony ny fanapariahana ny teknikam-pambolena mikajy ny tontolo iainana mba hiarovana ny nofon-tany sy ny tontolo manodidina. Manatsara ny velon-tenan'ny tantsaha amin'ny alalan'ny varotra iombonana ihany koa ny fikambanana. 3 taona niasana ny fikambanana Miara-mizotra, kanefa efa azo tsapain-tanana hoy Andriamatoa Randriazafison Tsitohaina, filoha mpanorina ny fikambanana Miara-mizotra ny vokatra azo amin'ny faharesehan-dahatry ny tantsaha amin'ny fampià izay fambolena mikajy ny tontolo iainana izay.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...