♦ Mbola mafana ny tranga fakana an-keriny any amin'ny Distrika'i Tsaratanàna. Manao antso amin'ny fampitomboana isa ireo mpitandro ny filaminana, ny Solombavam-bahoka any an-toerana... ♦ Hihatra ny fepetra vonjy maika hisorohana ny fanakanana ireo mpanao gazety handrakotra vaovao eny amin'ny Antenimieram-pirenena, araka ny fihaonana mivantana teo amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena sy ny Filohan'ny OJM... ♦ Misy ireo ampahan-dàlana tapaka ao an-drenivohitra noho ny asa fanamboarana. Isan'izany ny eny Ankatso-Ambanidia sy eny amin'ny Vatobe 67Ha-Andohatapenaka...
♦ Namaly ny tsikera natao tamin'ny filohan'ny CENI ny tale kabinetrany. Diso fipetraka hoy Andriamatoa Fanahimanana Toaray ny tsikera natao tamin'ny nanatrehany ny lanonana fametrahana sambohady ho an'ny solombavambahoaka tany amin'ny Faritanin'Antsiranana... ♦ Nanomboka omaly ny hetsika vaksiny faobe manerana ny nosy. Ho an'ny kaominina Imerin'Imady Ambositra tsy misy intsony ny kitrotro noho ny fahazotoan'ny reny mitondra ny zanany atao vaksiny... ♦ Isan'ny resahana amin'ireo famelaberana ny voka-pikarohana samihafa mandritra ny fikaonandoha siantifika iraisam-pirenena tanterahana eny Ankatso ny antony mampahantra an'i Madagasikara, anefa firenena ambara fa manana harena voajanahary maro...
Ny fanaraha-maso ataon'ny raiaman-dreny antoka iray mampahomby ny taom-pianaran' ny zanany. Ny raiaman-dreny dia isan'ireo mandrafitra ny telozoro-panabeazana ary manana andraikitra ankoatra mpianatra sy ny mpampianatra. Ny fanaraha-maso dia tokony hisy fanitsiana ireo tsy mety, toro-hevitra mahakasika fianaran'ny ankizy. Ny fiovana mety ho hita eo amin'ny ankizy iray dia ilana fanaraha-maso, mba hanampiana ny ankizy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Miatrika ny fivoriana ara-potoana faharoa amin'ity taona ity ny andrim-panjakàna mpanao lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra eto misy ankehitriny ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Nanipy resaka tamin'ny mpirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna kosa ny filohan'ny antenimieran-doholona... ♦ Resahana mandritra ny fikaonandoha siantifika iraisam-pirenena eny amin'ny sekoly ambony momba ny siansa ho an'ny fambolena eny amin'ny oniversiten'Antananarivo ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana. Fikaonandoha telo andro hatramin'ny rahampitso... ♦ Nahazo fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fonja vaovao ny distrikan'Antananarivo Avaradrano...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco