♦ Manao ady sisika amin'ny famoahana ny mangarahara amin'ny fampiasam-bolan'ireo antoko pôlitika ny Transparency International Initiative Madagasikara (TIMG)... ♦ Voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin'ny fifaninanana tsipy kanetibe i Samisa, ekipan'ny RDB, na dia resy teo amin'ny lalao famaranana aza, nandritra ilay fifaninanana ho an'ny orinasan-tserasera "Iray eny an-kianja 2025"... ♦ Tsy tana ny ain'ireo olona roa vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faha-4, ary 20 no naratra, teo anelanelan'ny Mahatsinjo sy Ankazobe, omaly... ♦ Namerimberina ny antsoantso efa nisy hatramin'izay amin'ny fampitsaharana ny ady ny Papa Léon faha-14...

12 mey — Andeha i Md Nérée sy Md Achilée no ho resahintsika satria martiry niaraka izy ireo. Izy ireo dia mpanompon'i Masimbavy Flavie Domitilla, ary ny fitiavam-bavaka nasehony no nampibebaka an'io zanaky ny mpanjaka io, sy nahatonga azy nahatoky azy ireo.

Ny Eveka Katôlika amin'izao fotoana izao dia eo ny Papa, eo ny "Collège épiscopal", ny dimbin'ireo "Colleège apostolique" Taorian'ny Pantekôty dia nanomboka nitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao ieo niombona teo ambany fitarihan'i Piera araka ny nanendren'i Kristy azy ho filohany ka ireo no antsoina hoe Collège apostolique". Ireo zokiolona nantsoina hoe "Presbyters" dia nanampy ireo apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny Papa dia dimbin'i Masindahy Pierre sy ny Apôstôly. Ny Cardinaly latsaky ny 80 taona rehetra no mifidy, dia izay feno 80 taona amin'ny faha-16 mey 2025 no zokiny indrindra. Tsy voatery izao ao anatin'ny "conclove" no azo fidiana ho Papa. Ny setroka fotsy dia manambara fa voafidy ny Papa, fa raha setroka miloko mainty no mivoaka amin'ny fantsona dia midika fa mbola tsy voafidy tamin'ny dingan'ny fifidianana ny Papa.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...