Ny fanetren-tena dia toetra fototra iorenan'ny fivavahana ahafahana manatona an'Andriamanitra sy misaotra Azy. Mila manana fanetren-tena isika raha hanatona sy hisaotra an'Andriamanitra, fa hoy indrindra i Md Paoly ao amin'ny Taratasiny ho an'ny Romana hoe : na izay tokony hangatahantsika amin'ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika ; izay manetry tena dia mahay mandray maimaim-poana...  Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

9 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)

♦ Nitombo 7% ny isan'ny kandidà mirotsaka ho fidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, raha mitaha amin'ny antontan'isa tamin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina, ny taona 2019... ♦ Tafiditra anatin'ny fampivoarana ny famokarana eny ambanivohitra ny tetikasa Ankohonana Miarina. Efa vonona ny anam-pamokarana sy ny fitaovam-pamokarana ho an'ireo misitraka ny tetikasa, hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Velon-taraina ireo mpampiasa lalana ao Manakara noho ny fahatapahan'ny tetezana mpampitohy ny Fokontany Takidy sy Ampilao...

♦ Hivoaka anio ny lisitr'ireo kandidà ben'ny tanàna sy mpanolontsaina afaka hifaninana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao. Ho hita amin'ny tranokalam-pifindraisan'ny CENI foibe izany... ♦ Nifarana ny fotoam-piasàn'ny PDS-n'Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, noho izy nirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna. Nanao tatitry ny asa vitany nandritra ny iray volana izy, omaly... ♦ Fianakaviana 7 no nisantatra ny famindran-toerana ireo tokan-trano marefo ara-pivelomana any Fieferamanga Arivonimamo. Famindran-toerana, tafiditra anatin'ny tetik'asa Ankohonana Miarina... ♦ Olona 70 farafahakeliny no maty tany afovoan'i Haïti, vokatry ny fanafihana nataon'andian'olona mirongo fiadiana...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...