♦ Mandray ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra ny ao Fianarantsoa androany. Fianakaviana 17.000 no hisitraka fanomezana avy amin'ny filohan'ny repoblika mandritra ny diany ao Matsiatra-Ambony. Hitokana zava-bita maro ny filoha... ♦ Nifarana amin'ny fomba ôfisialy nanomboka omaly ny asan'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID). Ny Departemantam-panjakàna Amerikana no hiandraikitra ny fitantanana sy fanatanterahana ireo tetik'asan'ny USAID teo aloha... ♦ Hampahafantarina rahampitso ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny Faritra 23 momba ny tsy fahampiana singa mpamelona toa ny vitamina sy sira mineraly ilain'ny ENCM...

Fotoana fialantsasatra izao (Jolay-Septambra), betsaka ireo ankizy mijanona ao an-trano mijery "ECRAN" na mampiasa finday ela loatra kanefa mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny maso sy ny saina ireny. Ny taova rehetra ao amin'ny ankizy dia mbola an-dalan'ny fivoarana, noho izany dia marefo. Ny "ECRAN" dia misy lafi-tsarany, enti-mampianatra ; misy lafiny ratsy koa, ny fahasimban'ny maso... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Manambana hitokona ny mpiasan'ny JIRAMA raha tsy misy ny vahaolana mato-paika ho an'ity orinasa ity. Tandondomin-doza ny firenena noho ny olan'ny orinasa. Mitaky fandraisan'andraikitra miaraka izy ireo... ♦ Nanamafy ny Ôfisy Malagasy ny ankoraafo fa ampy tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto Madagasikara. Mbola misedra olana amin'ny fahitana solika nefa ny mpanjifa tamin'ny omaly... ♦ Nihena ny voka-bary tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro tamin'ity taona ity. Noho ny fikorontanan'ny tetiandrom-pamokarana ho an'ny tantsaha any amin'ny tapany avaratra sy atsimon'ity faritra ity no antony mahatonga izany...

Ny Lahika dia tokony ho tia sy hanaja ny zava-boary fa ireny indindra no maneho ny fahefan'Andriamanitra ary enti-midera sy manome voninahitra Azy Mpahary. Manaja ny Mpahary isika rehefa manaja ny zavatra nohariany. Tena manana adidy tsy azo ialàna ny isam-batan'olona manambatra ny hery, manaja ny kolontsaina voadion'ny Evenjely, manaja ireo soatoavina, manaja ny hasin'ny olombelona... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...