Alahady faha-27 mandavantaona - B : fianakaviana iray ny olombelona ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. ...

Nitondra hafaliana lavorary tamin'i Elisabeth i Masina Maria ; araka ny voasoratra hoe : nandeha haingana ho any amin'ny tany be tendrombohitra i Maria (...) fa rehefa nihaona tamin'i Elisabeth izy dia faly nihira tao am-pony nanao hoe "mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

5 ôktôbra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)

♦ Notanterahana androany teny Ambodivona, ny atrikasa fanao isan-taona, hametrahana ny drafitra ho an'ny Firohotana fiarovana ny zo sy ny loharanon-karena, na ny RRI, eto Madagasikara... ♦ Natomboka androany tety Ivato, ny atrikasa fandrafetana ny pôlitika ho an'ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo madio amin'ny fahandroana sakafo... ♦ Nifampizara traikefa tamin'ny solontenan'ny sendikà CFDT avy any Frantsa sy ny sendikà avy any Cap-Vert, ny Randrana Sendikaly, hijerena ny paikady hisian'ny asa mendrika eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...