♦ 102 amin'ireo antontan-taratasy maherin'ny 270 naroson'ny Mouvement Masikara, ho kandidà Ben'ny Tanàna, no neken'ny OVEC... ♦ Tombanana ho roa hatramin'ny dimy, ireo rivodoza mety hisy fiantraikany mivantana eto Madagasikara, raha ny vinavinan'ny Météo malagasy... ♦ Miroso ny famolavolana ilay paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin'ny kolikoly. Kendrena hatolotra ny 9 desambra izao izany...

Masina Maria dia manolotra ny tenany manontolo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra ary namela Azy hifehy ny fiainany ; porofon'izany ny valin-teny nomeny an'Andriamanitra "Inty aho ankizy vavin'ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao". Masina Maria dia miahy ny fahoriantsika zanany sy manohy ny fifonana ho antsika mpanota mahantra ankehitriny sy amin'ny ora hahafatesantsika... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

4 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 13-16)

♦ Kasain'ny CENI hampidirina anaty lisi-pifidianana, ireo mpifidy tsy voasoratra anarana teo aloha. Nanatona sy nangata-panazavana teny Alarobia androany ny antoko TIM... ♦ Namoaka ny vinavina ho an'ny taom-pahavaratra ho avy io ny Foibe famantarana ny toetry ny andro androany. Rivodoza roa na dimy eo no handalo, ka hisy fiantraikany mivantana amin'i Madagasikara... ♦ Miroso ny famolavolana ilay paikadim-pirenena vaovao, hiadiana amin'ny kolikoly. Hiditra amin'ny dingana fahatelo izany, ka hisy ny fakan-kevitra isan-dohahevitra eto Antananarivo herinandro izao...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...