Fitaovam-pifandraisana mahomby sy maharitra ifampiresahan'ny Kristianina amin'Andriamanitra ny vavaka. Ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina anefa no loharanon'izany fifandraisana izany ; fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra ny vavaka. Ny ohatra omen'i Jesoa no manamafy fa ny vavaka dia fifandraisana mivantana amin'ilay Ray... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
25 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco