♦ Mbola tsy isan'ireo Solombavam-bahoaka mandray anjara amin'ny asany eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoakan'i Vangaindrano noho ny famonjana azy. Asan'ny Fitsarana izany, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famaritana ny atao hoe mpampaneno lakolosy ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Misedra olana vokatry ny fihenan'ny rano any Andekaleka ny famatsiana herinaratra amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo. Manjaka ny fahatapahan-jiro mifandimby...

Rehefa nitalaho tamin'Andriamanitra Elia nanao hoe : "Mihainoa ahy ry Tompo ô, mihanoa ahy" mba hieken'ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra ary Ianao ihany no mampiverina ny fon'izy ireo indray. Nirotsaka ny afo ary nandoro ny sorona mbamin'ny kitay sy ny vato mbamin'ny tany ary ritra ilay rano nanodidina. Ny afo dia famantarana ny endriky ny herin'ny fanadiovan'Andriamanitra. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.

14 aogositra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

♦ Aleo halalaka amin'ny fotoana hananganany ny Governemanta, ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin... ♦ Miara-miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, ny Diôsezin'Antsiranana sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Nanatrika ny fanambarana ôfisialy momba izany ny Minisitra Max Fontaine Andonirina sy ny Arsevekan'Antsiranana Mgr Benjamin Marc Ramaroson... ♦ Firenena isan'ny manana tanjaka ara-toekarena eran'izao tontolo izao i Chine. Manohana ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...