♦ Miroso amin'ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ny mpiadina bakalôrea ny eto Antananarivo. Afaka iray volana no mivaly ny fanadinana, raha tsy misy ny fiovana... ♦ Atsy Afrika ny Filoham-pirenena sy ny delegasiôna tarihiny, tao aorian'ny fitsifihany tany Frantsa. Ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan'i Madagasikara ara-toekarena amin'i Guinée Bissau sy Angola no tanjona... ♦ Nakatona ny fitrandrahana volamena an-tsokosoko tao amin'ny Fokontany Vohilengo, Kaominina Vavatenina, Faritra Analanjirofo. Tsy manana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka...

♦ Hiara-manandratra vavaka manokana ny Diôsezy tsirairay eto Madagasikara, amin'ny vavaka fangatahana ny hananganana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Ny 1 aogositra no hankalazan'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany ilay “Pardon d'Assise”. Anisan'ny hiaina izany ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Na dia kely fitia aza isika, atolory ny Tompo izany. Fanaingana nataon'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Pierre...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Nahoma Mpaminany (Nahom. 2, 1. 3 ; 3, 1-3. 6-7)

Loza ho an’ny tanànan’ny mpandatsa-dra.

Indro, eny an-tendrombohitra,
ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana.
Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao!
Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.
Fa ny Tompo nampody ny voninahitr’i Jakôba? mbamin’ny voninahitr’i Israely,
satria norobain’ny mpandroba izy sady nosimbany ny fotoboalobony.

Loza ho an’i Niniva, ilay tanàna mpandatsa-dra;
feno fanambakana amam-pahasiahana; tsy mitsahatra amin’ny halatra!
Injany re ny firivirivin’ny karavasy, ny firodorodon’ny kodia,
ny katrokatroky ny soavaly ny fiantraitraiky ny sarety!
Mpitaingin-tsoavaly miezaka, sabatra mamirapiratra,
lefona manjelatra, olo-maratra sesehena, maty miavosa, faty tsy hita isa...
Voafingampingan’ny faty ny olona!
Hotsipazako loto ianao sy halàko baraka, sy hataoko fijerin’ny olona ianao.
Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe:

“Rava i Niniva!”

Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 35b-36a. 39abde. 41

Izaho no mamono sy mamelona.

Antomotra ny andro hahitany loza,
ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Fa homen’ny Tompo rariny ny vahoakany,
ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.

Jereo amin’izao, fa Izaho, dia Izaho ihany no izy;
ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko;
Izaho no mahafaty sy mahavelona;
Izaho no naharatra, ary Izaho koa no hahasitrana.

Rahefa hanasa ny sabatro manelatselatra
sy handray ny fitsarana ny tanako,
dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko,
ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)

Inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha misy ta-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.
Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana,
raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 31-34)

Hanao fanekena vaovao Aho, tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo —,
hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:
ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany,
tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely,
rahefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo —:
Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr’izy ireo aho, ary izy ireo ho oloko.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe:

“Mahalalà ny Tompo!”

Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe.
Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 12-13. 14-15. 18-19

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alana aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.

Amereno hafaliana aho ho vonjiko
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.

Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo sorona dorana.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-23)

Ianao no Piera, vatolampy, homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.”

Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona,
fa Izy no Kristy.
Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe:

“Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!”

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry satana! manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...