Ny fialonana, ny tsy fanekena an'Andriamanitra dia mety hiafara amin'ny fahafatesana. Ny fialonana nampidirin'ny demony tao amin'ny zanak'olombelona dia niha nahazo vahana ka nahatonga ny olona hankahala ny namany. Manan-danja eo amin'ny fiainan'ny olombelona sy ny kristiana ny vavaka. Tsy maintsy manana ny toetran'olomarina isika mba hahatanteraka ny fahasoavana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Alahady faha-13 mandavantaona - B : Ny hahavelona antsika no irin'Andriamanitra ; Aleloia, Aleloia, Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Aleloia. Ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao.Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona. Ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’ireo havanareo mahantra. Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra no ho fahambonianareo koa amin’ny fahasoavam-piantrana. I Jesoa Kristy no Tompon’ny aina, na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy, koa mangataha aminy mba hovelominy lalandava amin’ny Ainy isika...
30 jona 2024 — Alahady Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)
♦ Tsy an'asa avokoa ny 68,50% ny tanora Malagasy latsaky ny 24 taona, tanora 500.000 isan-taona anefa no mahavita fianarana tokony hiditra amin'ny tontolon'ny asa... ♦ Ramilison Nomenjanahary : Fandresena ho an'ny vahoakan'i Faratsiho ny vikam-pifidianana ôfisialy navoakan'ny HCC, mitaky sy miandry ny asa ho ataon'ny solombavambahoaka voavao amin'izay ny vahoaka... ♦ Mahazo vahana ao amin'ny renivohitry ny distrika Betafo ny trangana famonoantena feo amin'ny tanora ka ny lehilahy no maro an'isa amin'ireo manao izany... ♦ Any Etats Unis : Nivoaka sempotra tamin'ilay ady hevitra nifanaovany tamin'ny Kandidan'ny Antoko repoblikanina Donald Trump ny filoha Joe Biden...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco