Ny Taom-baovao sy ny alahamady ary ny alahamady be dia samy voasokajy ho ao anatin'ny kolon-tsaina malagasy. Raha fomba sy riba no misongadina kokoa amin'ny Taom-baovao sy alahamady dia ahitàna finoana kokoa ny alahamady be satria misy vavaka sy fangatahana amin'ireo manana ny satan'ny Razana, Zanahary ; ankoatra ireo taranaka andriana mpandala sy mpanamarika ity fotoana ity dia  fotoana hihaonan'ireo mpanazary manerana ny nosy amin'ny toerana voafaritra ihany koa io mba hanatanterahana fomba maro samihafa sy hifanakalozana traik'efa sy fahalalana mba entina hanasoavana ny vahoaka indray amin'ny taona hodiavina. Volana avrily no fotoana matetika fanamarihana ny alahamady be...

♦ Handrotsaka kandidà tokana ireo mpomba ny fitondràna hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao. Nampahafantarina omaly hariva ny Vovonana Isika Rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina... ♦ Nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA, mandraoka fako ao an-drenivohitra no nindaosin'ny fahafatesana, noho ny olan'ny tsy fandraisana karama. Mbola nanohy ny fitokonana teny Nanisàna ny sasany tamin'izy ireo omaly... ♦ Hiatrika lalao iraisam-pirenena roa ny Barean'i Madagasikara ny faran'ny herinandro izao. Efa manomboka tonga eto an-tanindrazana ireo mpilalao mpila ravinahitra nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena... ♦ Nilaza ny fitondràna israeliana omaly fa nahalavo mpiadin'ny Hamas miisa 20...

Diso ny fiheverana fa ny fanalan-jaza no antoka hasalama ny vehivavy iray mitondra vohoka lazaina fa tsy salama ; tsy vokatry ny  fisian'ny zaza ao an-kibon-dreny ny tsy fahasalaman'ny vehivavy mitondra vohoka fa avy amin'ny aretina hafa. Maro anefa ny reny no sahy manao sorona ny any ho an'ny zanany, aleony izy no maty toy izay ilay zaza entiny ao am-bohoka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

19 marsa 2024 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 42-51a)

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...