♦ Namoizana ain'olona miisa dimy (5) sy naharatran'olona miisa folo (10) farafahakeliny, ireo tranganà lozam-pifamoivoizana ny faran'ny herinandro lasa teo, nisy ny loza an-dalamby, an-tanety ary an-dranomamy... ♦ Hiady ho amin'ny fananana fiahiana ara-tsôsialy sy ara-pahasalamana ho an'ny mpiasa tena ny Sendika FISEMARE, manomboka izao, nanao hetsika mifandraika amin' izany ity sendika ity tamin'ny sabotsy lasa teo... ♦ Vehivavy sy zatovovavy 170, niharan'ny herisetra no hahazo tombontsoa mivantana aminà tetik'asa iarahana amin'ny fondation Aga Khan, tetik'asa roa lehibe no hotanterahina izay natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy lasa teo...
Tsy anisan'ny fandrindram-piterahana velively ny fanalana zaza satria tsy fisakanana ny fitsaihana fa famonoana ny tsaika mihitsy na mamotika ny tranon-jaza mba tsy hipetrahan'ny tsaika intsony na mamongotra ny zaza ivelan'ny tranon-jaza. Na misy fahasamponana aza ny zaza ao am-bohoka dia tsy mendrika ny halana satria aina. Tsy voatery ho marina avokoa ny vokatry ny fitiliana rehetra ka aoka ho tandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
18 marsa 2024 — Alatsinainy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Ny Sakramenta fanosorana ny marary dia Sakramenta natao mba hahasoa ny fanahy sy ny vatan'ny marary ary ahazoana fahasitrahana ; mankahery ny marary amin'ny fahosan'ny fanahy, ny saina ary ny sitrapo, ary manafaka.ny fahotana sy ny sazim-pahotana. Adidin'ny Pretra manome ny sakramenta fanosorana ny marary no manome ny indolizansy ny marary, indrindra ho an'ireo marary ambavahoana. Ny indolizansy dia famelana omen'ny Eglizy ivelan'ny konfesy ka manafaka ny sazim-pahotana misy fetra, valin'ny hota efa navela. Ny indolinzansy dia misy roa : manontolo sy ny tsy manontolo izany hoe manafaka fahotana sy sazim-pahontana voafetra...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco