♦ Ho ampahafantarin'ny CENI anio ny vokatra ôfisialy vonjy maika tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nilaza tsy hankatoa ny vokatra ny vondron'ireo kandidà... ♦ Tsy misy afa-tsy fitoriana roa avy amin'ny kandidà ihany no voarain'ny HCC hatramin'ny omaly... ♦ Eo ambany fanaraha-maso ny Fitsarana ireo mpitarika sendikaly roalahy taorian'ny fiakarany fampanoavana androany. Hotanterahana amin'ny 12 desambra ny fotoam-pitsarana... ♦ Feno ny hopitaly any Chine noho ny firongatry ny aretin'ny taovam-pisefoana, indrndra ny pneumonie mahazo ny ankizy, ka mangataka fanampim-baovao momba izany ny OMS...

Amin'ireo singa efatra, asongadin'ny konsily ny anjara toerana manokana ananan'ny fitandroana ny soa iombonana izay lohalaharana amin'ny kendren'ny fiainam-bahoaka. Ny soa iombonana izay fitambaran'ny fomba fiainam-bahoaka izay ahazoan'ny olona sy ny fianakaviana ary ny antokon'olona mivelatra tanteraka sy moramora kokoa. Mikendry soa iombonana ny ankohonana pôlitika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

25 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

♦ Tsy misy afa-tsy fitoriana roa avy amin'ny kandidà, no voarain'ny HCC, hatramin'ny androany... ♦ Arahanao amin'izao vaovao izao ny fanambarana nataon'ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana, ireo mpitarika sendikaly roa lahy, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana androany. Hotanterahana amin'ny 12 desambra 2023 ny fotoam-pitsarana...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...