Alahady voalohany – taona D, Karemy : Fahafoizana ho an’Andriamanitra ; Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Jesoa nalain'ny demony fanahy tany amin'ny tany efitra no resahin'ny Evanjely, ny demony dia antsoina hoe mpampisaraka amin'Andriamanitra. Ny tany efitra dia manambara ny fisitahana, fahanginana, fivavahana, ary manambara ny fisedrana (irery, anoanana, fakam-panahy...). Miala maina ny demony rehefa miankina amin'Andriamanitra sy ny teniny isika. Ny tena harena dia Andriamanitra irery, aoka isika hafoy ny rehetra noho ny amin'Andriamanitra...

Ny vehivavy no matetika no voapanga ho momba, anefa tokony aorian'ny fizaham-pahasalamana eo amin'ireo mpivady vao afaka milaza hoe iza amin'ireo mpivady no momba. Mila arahina maso akaiky ny fahasalamana ara-pananahan'ny vehivavy, vao teraka hatramin'ny fotoana maha maoty azy. Ny antony : tsy misy fahamasahan'ny atodinaina ao amin'ny vehivavy, fahatsentsenan'ny fantsona mitondra ny atodinaina, aretina fokatry ny firaisana ara-nofo, fikorontanan'ny fadimbolana. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Efa nivoaka an-dranomasina ilay andro ratsy izay nitety ny tapany avaratry ny nosy. Hitohy ny rotsak'orana indrindra ny ilany afovoany-atsinanan'ny nosy hoy ny Météo...
  • Makotroka ny ivon'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ao Mahajanga ao. Naharaisana akony izany...
  • Voarohirohy tamin'ilay fitifirana an-dRasazy Narindra, ben'ny tanàna tao Mangataboahangy ny anadahiny. Nadoboka am-ponja niaraka tamin'ireo olona 16 hafa izy, omaly...
  • Manomboka mamaha ny olan'ny fandaharan'asa nokleary iranianina ny filoha amerikanina Donald Trump. Fifampiraharahana na fidirana an-tsehatra ara-miaramila no vahaolana hoy izy...

  • Niditra an-tantety alina tany amin'ny Distrika Sambava ilay andro ratsy any avaratry ny nosy. Mahazo filazàna loza manambana ny Faritra Dianà, Savà ary Ambotosoa...
  • Homarihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany isika eto Madagasikara. Samy hanan'ny hetsi-panamarihana ny fikambanana samihafa. Any Mahajanga ny fankalazàna nasiônaly...
  • Nahatratra vovo-bolamena 1595 grama saika ahondrana an-tsokosoko any ivelany indray tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Teratany Indiana iray Handeha any Dubai no nitondra ireo vovo-bolamena ireo...
  • Nidaroka baomba ny tany avaratry ny faritra Gaza indray i Israël omaly. Fanafihana nambaran'ny Israelianina fa hamongorana ireo mpampihorohoro...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...