Ny didy aman-dalàna sy ny didin'Andriamanitra no fototra handrafetana ny fitsipika hifampitondra eo amin'ny samy mpiara-belona. Misy amin'ireo lalàna noheverina handrindràna ny fiaraha-monina no tsy mipaka any amin'ny tontolo ambanivohitra, izany hoe tsy ampy ny fahampahafantarana azy ireny. Na nisy aza ny fivoriana nataon'ireo andrim-panjakana mpanao lalàna dia tsy misy fampahafantarana izay lalàna niadian-kevitra sy izay mety ho fampiharana izany.
Ny alahady fetin'ny Trinite Masina no hanamarihana ihany koa ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Ny hafatra avy amin'ny Papa François ho fanamarihana amin'ity taona ity dia ny hoe : "miteny amin'ny fo". Ny fanambarana zavatra iray tena vokatry ny fo no tian'ny Ray Masina horesahina eto, ary koa hirosoana amin'ny fifandraisana tena misokatra sy mahay mandray. Katesizy momba ny andron'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
4 jona 2023 — Alahady, Ny Trinite Masina — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)
Amin'ny andro ririnina dia tsy mari-toerana ny hafanana fa miovaova, miteraka fahasarotana ara-pahasalamana ho an'ny olona izany, indrindra ho an'ireo marefo... Ny anton'ny fahasarotana ara-pahasalamana dia ny rivotra, ny hatsiaka, ary ny hamandoana. Rehefa mahare mangatsika ny vatana dia mikainkona ny lalan-dra, ary mitombo ny hery ilain'ny vatana, ary lasa marihitra ny ra. Malaina ny taovam-pandevonan-kanina, ary mety ho tonga amin'ny tsy fahampian-drano... Mitombo ny olona voan'ny sery...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco