Ankoatr'ireo vavaka, isan-karazany, nasian'ny Papa François François fampianarana sy fanentanana manokana. Ny firaisana resahana eto dia ilay fiombonana tanteraka tamin'ny Ray ; rehefa ampiraisin'i Kristy isika, maka tahaka Azy dia hisokatra amin'ny hafa. Didy miafina ara-panahy navelan'i Jesoa ny hiombonan'ny kristianina, hoy ny Papa François... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
24 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)
Boky Deteronômy (Det. 26, 16-19)
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka Israely i Môizy nanao hoe:
“Ny Tompo Andriamanitrao no mandidy anao anio,
hanaraka ireo didy amam-pitsipika ireo,
koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
Nampanambara tamin’ny Tompo ianao androany,
fa Izy no ho Andriamanitrao
ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany,
hitandrina ny didiny sy ny lalàna amam-pitsipiny,
ary hihaino ny feony.
Ary ny Tompo kosa efa nampanambara anao androany,
fa ianao araka ny efa voalazany taminao,
dia ho vahoakany manokana,
mitandrina ny didiny rehetra;
ary Izy nametra-teny hanandratra anao ambonin’ny firenena rehetra nataony,
na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana,
ka dia ho vahoaka masina ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
araka ny efa voalazany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 118, 1-2. 4-5. 7-8)
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Ianao ihany no mamoaka ny Lahatrao
mba hotandremana fatratra.
Enga anie ho marin-toetra ny lalako
amin’ny fitandremana ny Fitsipikao.
Mankalaza Anao amim-po mahitsy aho,
eo am-pianarana ny Satanao izay ara-drariny.
Mitandrina fatratra ny Fitsipikao aho;
fa aza dia ilaozana kosa!
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Ho tia ny namana ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo,
inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo,
inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo
tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 18, 21-28)
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
“Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin’ny fahotana rehetra nataony
ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny,
ho velona izy, fa tsy ho faty.
Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony;
ho velona izy noho ny fanarahany ny marina.
Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra —,
fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?
Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina,
araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy,
— moa hanao izany izy va ka ho velona? —
Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny;
noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony;
noho izany, dia ho faty izy.Ianareo manao hoe:
‘Tsy marina ny lalan’ny Tompo!’
Mihainoa àry, ry taranak’i Israely:
Moa ny lalako va no tsy mahitsy?
Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?
Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany,
dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany.
Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy,
ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony dia hamelona ny fanahiny izy.
Raha sokafany ny masony, ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy,
dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8)
Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso;
Tompo ô, henoy re izany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy.
He! fa mitoreo izato feoko.
Raha tsikilovinao irony heloka natao.
Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no hahitako famelana.
Toky ho ahy Ianao, ka dia toaviko.
Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany.
Vonona aho miandry izany teniny.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina
no aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.
Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo.
Avotra lehibe ka ianteherana.
Dia Izy no andrasan’i Israely hanavotra azy.
Afaka tanteraka ny helony.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona,
ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Raka,
dia hohelohina amin’ny Sanedrina
ary izay hanao azy hoe Foka
dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco