Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Nanolotra ny votoatin'ny fanitsiana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2022 teny amin'ny antenimieram-pirenena ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbola Rabarinirinason... ♦ Ny fitrandrahana an'i Tsimiroro ihany hoy ny antoko otrik'afo no vahaolana ahafahana miatrika ny olan'ny angovo ankehitriny... ♦ Mbola maty antoka ny mpitatitra na dia hiakatra 1.000 Ariary aza ny saran-dalana hoy ny filohan'ny koperativa iray ao an-drenivohitra... ♦ Farafahakeliny 1.000 no maty tany atsinanan'i Afganhistan vokatry ny horohoron-tany nitranga omaly alina...
Miainga amin'ny didy fahaefatra "manajà ny ray aman-dreninao" ny maha olom-pirenena vanona. Ny ankohonana maro mitambatra ihany no lasa firenena, takiana ny hanomezana fitiavana sy fanajàna ireo ray aman-dreny sy ireo zoky. Samy manana ny adidiny ny tsirairay mba hisiany fifanajàna satria izay no taratry ny maha olom-pirenena vanona. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 23 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco