♦ Hanomboka anio maraina any Antsirabe ny fandraisana ireo tanora mpizaika isan-diôsezy hanatrika ny JMJ any an-toerana. Efa an'arivony amin'izy ireo no efa tonga any an-toerana, nanomboka omaly... ♦ Olona 11 isa farafahakeliny no maty, 20 isa any ho any no naratra, vokatry ny fifandonana teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona, izay nitaky fitsaram-bahoaka... ♦ Hanao diabe ao an-drenivohitra anio ireo mpitondra taxi, ho fanoherana ny hiasàan'ny taxi-moto. Nilaza ny hanao ny hetsika izy ireo, na nahazo alalana na tsia avy amin'ny Préfet- an'ny Polisy... ♦ Atahorana hitera-doza mafy any Ukraine ilay toby famokarana angovo nokleary any Zaporijia. Handefa teknisiana hijery izany ny AIEA amin'ity herinandro ity...
30 aogositra — Zanaky ny mpanjaka tao Irlande i Fiacre, niaina tamin’ny toanjato fahenina sy fahafito izy, nobeazina tamin’ny fahalalana sy fitiavam-bavaka. Mbola tanora izy dia efa niredareda tao aminy ny fitiavana te hanirery sy ny faniriana hiaina ho an’Andriamanitra irery ihany.
Tsy afaka misaraka amin'ny fianakaviana ny tontolo misy azy, dia ny fiaraha-monina izany. Mampandinika ilay fomba fiteny hoe : " lazao ahy izay mifanerasera aminao dia lazaiko hoe iza ianao". Araka izany dia manana anjara amin'ny famolavolana ny olona ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Talata 30 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 31-37
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco