Alarobia 15 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

♦ Miandry ny fanomezan-toky ny handinihan'ny fitondram-panjakana ny tolo-dalana momba ny fizakan-tenan'ny oniversite miankina amin'ny fanjakana, ny SECES Sampana Antananarivo, vao hiverina hanohy ny asa fampianarana sy ny fikarohana indray... ♦ Lalana mankany amin'ny Disitrikan'Ikongo : tsy mandroso intsony ny asa fipasohana ny lalana, hoy ny Solombavam-bahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunel... ♦ Diso ny fiheverana nampitaina hatramin'izay fa fiaviana tokana no niandohan'ny Malagasy, raha ny angom-pikarohana eo am-pelatanan'ny Minsiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera...

♦ Tsy voatery hotanterahina ny fikaonandoham-pirenena vao hirosoana ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Nilaza ny avy amin'ity antoko ity fa tsy maintsy hirisoana ny amin'ny taona ho avy ny fifidianana... ♦ Mandeha ny feo fa ahiana ny hisian'ny fipoahana ara-tsôsialy aorian'ny fetim-pirenena. Efa misy ny paik'ady hiatrehana ny fitandroana ny filaminana, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna iraisana ny vondrona maromaro eto Madagasikara, ahitàna masoivoho vahiny maromaro. Fanambaràna manoloana ny famonoana an'i Henri Rakotoarisoa, filohan'ny Vondron'olona ifotony MIALO, misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana...

Ny teknôljia dia fitaovan-tserasera fampiasa ankehitriny, izay faritana ho fampahalalana amin'ny alalan'ny kajy mifototra amin'ny rafimpamantarana roa loha "langage binaire". Maro ireo voambolana amin'ny teny malagasy azo ampiasaina amin'ny lafiny teknôlôjia : efijery, banky angona... Ny sikidy dia fampahalalana ny ho avy na manazava ny antony nisian-javatra iray. Ny sikidy dia fomba efa nisy hatramin'ny ela ary hita taratra ao anaty baiboly.  Ny voa avy amin'ny hazo fano no fanaovana sikidy ary ny hazo fano no narafitry ny olona ao anatin'ny baiboly ho taberinakila tamin'izany andro izany. Ny mpisorombe ihany no mahazo misikidy araka ny voalaza ao amin'ny baiboly, misy heviny ny ORIMA sy ny TOMIMA.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...